< Salamo 86 >

1 Fivavak’ i Davida.
Ein Gebet Davids. HERR, neige deine Ohren und erhöre mich; denn ich bin elend und arm.
2 Arovy ny fanahiko, fa masìna aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.
Bewahre meine Seele; denn ich bin heilig. Hilf du, mein Gott, deinem Knechte, der sich verläßt auf dich!
3 Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.
HERR, sei mir gnädig; denn ich rufe täglich zu dir.
4 Ampifalio ny fanahin’ ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.
Erfreue die Seele deines Knechts; denn nach dir, HERR, verlanget mich.
5 Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin’ izay rehetra miantso Anao.
Denn du, HERR, bist gut und gnädig, von großer Güte allen, die dich anrufen.
6 Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon’ ny fifonako.
Vernimm, HERR, mein Gebet und merke auf die Stimme meines Flehens.
7 Amin’ ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.
In der Not rufe ich dich an; du wollest mich erhören.
8 Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.
HERR, es ist dir keiner gleich unter den Göttern und ist niemand, der tun kann wie du.
9 Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
Alle Heiden, die du gemacht hast, werden kommen und vor dir anbeten, HERR, und deinen Namen ehren,
10 Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.
daß du so groß bist und Wunder tust und alleine Gott bist.
11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin’ ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.
Weise mir, HERR, deinen Weg, daß ich wandele in deiner Wahrheit; erhalte mein Herz bei dem Einigen, daß ich deinen Namen fürchte!
12 Hidera Anao amin’ ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.
Ich danke dir, HERR, mein Gott, von ganzem Herzen und ehre deinen Namen ewiglich.
13 Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra. (Sheol h7585)
Denn deine Güte ist groß über mich, und hast meine Seele errettet aus der tiefen Hölle. (Sheol h7585)
14 Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon’ ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.
Gott, es setzen sich die Stolzen wider mich, und der Haufe der Tyrannen stehet mir nach meiner Seele und haben dich nicht vor Augen.
15 Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
Du aber, HERR Gott, bist barmherzig und gnädig, geduldig und von großer Güte und Treue.
16 Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.
Wende dich zu mir, sei mir gnädig; stärke deinen Knecht mit deiner Macht und hilf dem Sohn deiner Magd!
17 Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan’ izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.
Tu ein Zeichen an mir, daß mir's wohlgehe, daß es sehen, die mich hassen, und sich schämen müssen, daß du mir beistehest, HERR, und tröstest mich.

< Salamo 86 >