< Salamo 85 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ ny Koraïta. Jehovah ô, efa naneho fitia tamin’ ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin’ ny fahababoany.
Kwa mwimbishaji. Zaburi ya wana wa Kora. Ee Bwana, ulionyesha wema kwa nchi yako. Ulimrejeshea Yakobo baraka zake.
2 Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra. (Sela)
Ulisamehe uovu wa watu wako, na kufunika dhambi zao zote.
3 Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin’ ny fahatezeranao mirehitra.
Uliweka kando ghadhabu yako yote na umegeuka na kuiacha hasira yako kali.
4 Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.
Ee Mungu Mwokozi wetu, uturejeshe tena, nawe uiondoe chuki yako juu yetu.
5 Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?
Je, utatukasirikia milele? Utaendeleza hasira yako kwa vizazi vyote?
6 Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian’ ny olonao aminao?
Je, hutatuhuisha tena, ili watu wako wakufurahie?
7 Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.
Utuonyeshe upendo wako usiokoma, Ee Bwana, utupe wokovu wako.
8 Hihaino izay holazain’ i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin’ ny olony Izy, dia amin’ ny olony masìna; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin’ ny fahadalana ireo.
Nitasikiliza lile atakalosema Mungu aliye Bwana; anaahidi amani kwa watu wake, watakatifu wake: lakini nao wasirudie upumbavu.
9 Eny tokoa, akaikin’ izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran’ ny voninahitra eo amin’ ny tanintsika.
Hakika wokovu wake uko karibu na wale wamchao, ili utukufu wake udumu katika nchi yetu.
10 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.
Upendo na uaminifu hukutana pamoja, haki na amani hubusiana.
11 Ny fahamarinana mitsimoka amin’ ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra.
Uaminifu huchipua kutoka nchi, haki hutazama chini kutoka mbinguni.
12 Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra.
Naam, hakika Bwana atatoa kilicho chema, nayo nchi yetu itazaa mavuno yake.
13 Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.
Haki itatangulia mbele yake na kutengeneza njia kwa ajili ya hatua zake.