< Salamo 85 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ ny Koraïta. Jehovah ô, efa naneho fitia tamin’ ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin’ ny fahababoany.
“For the leader of the music. A psalm of the sons of Korah.” O LORD! thou hast been favorable to thy land; Thou hast brought back the captives of Jacob;
2 Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra. (Sela)
Thou didst forgive the iniquity of thy people, And cover all their sins! (Pause)
3 Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin’ ny fahatezeranao mirehitra.
Thou didst take away all thy displeasure, And abate the fierceness of thy wrath.
4 Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.
Restore us, O God of our salvation! And let thine anger towards us cease!
5 Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?
Wilt thou be angry with us for ever? Wilt thou continue thy wrath from generation to generation?
6 Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian’ ny olonao aminao?
Wilt thou not revive us again, That thy people may rejoice in thee?
7 Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.
Show us thy compassion, O LORD! And grant us thy salvation!
8 Hihaino izay holazain’ i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin’ ny olony Izy, dia amin’ ny olony masìna; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin’ ny fahadalana ireo.
I will hear what God the LORD will speak: Truly he will speak peace to his people, and to his servants; Only let them not turn again to folly!
9 Eny tokoa, akaikin’ izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran’ ny voninahitra eo amin’ ny tanintsika.
Yea, his salvation is near to those who fear him, That glory may dwell in our land.
10 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.
Mercy and truth shall meet together, Righteousness and peace shall kiss each other;
11 Ny fahamarinana mitsimoka amin’ ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra.
Truth shall spring out of the earth; Righteousness shall look down from heaven.
12 Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra.
Yea, Jehovah will give prosperity, And our land shall yield her increase.
13 Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.
Righteousness shall go before him, And set us in the way of his steps.