< Salamo 82 >
1 Salamo nataon’ i Asafa.
Mijohañe am-pivorim-panalolahy t’i Andrianañahare; mizaka añivom-pizaka eo.
2 Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? (Sela)
Pak’ombia ty mbe izakà’ areo ami’ty tsy hiti’e, hañonjonañe o tsivokatseo? Selà
3 Alaharo ny tenin’ ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo;
Meo tò o rarakeo naho o bode-raeo; tohaño ty zo’ o poie’eo naho o misotrio.
4 Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy izy.
Hahao o mahàtrao naho o malorèo; avotsoro am-pità’ o lo-tserekeo.
5 Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin’ ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin’ ny tany rehetra.
Tsy mahilala iereo, naho tsy mahafohiñe, mirererere añ’ieñe ao avao; fa naveve iaby o faha’ ty tane toio.
6 Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra;
Nanao ty hoe iraho: Mpizaka nahareo songa anak’ i Andindimoneñey.
7 Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin’ ny lehibe.
Fe hikoromake hoe ondaty avao, hikorovoke manahake ty raike amo roandriañeo.
8 Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.
Miongaha, ry Andrianañahare, zakao ty tane toy, fa kila ho lovae’o o fifeheañeo.