< Salamo 80 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon’ i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an’ i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, mamirapiratra.
Kwa mwimbishaji. Mtindo wa “Yungiyungi za Agano.” Zaburi ya Asafu. Ee Mchungaji wa Israeli tusikie, wewe umwongozaye Yosefu kama kundi; wewe uketiye katika kiti cha enzi katikati ya makerubi, angaza
2 Fohazy ny herinao eo anoloan’ i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
mbele ya Efraimu, Benyamini na Manase. Uamshe nguvu zako, uje utuokoe.
3 Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
Ee Mungu, uturejeshe, utuangazie uso wako, ili tuweze kuokolewa.
4 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin’ ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao?
Ee Bwana Mungu Mwenye Nguvu Zote, hata lini hasira yako itawaka na kufoka moshi dhidi ya maombi ya watu wako?
5 Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
Umewalisha kwa mkate wa machozi, umewafanya wanywe machozi bakuli tele.
6 Ataonao ho fifandirana amin’ ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
Tumekuwa chanzo cha ugomvi kwa jirani zetu, na adui zetu wanatudhihaki.
7 Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
Ee Mungu Mwenye Nguvu Zote, uturejeshe; utuangazie uso wako, nasi tuweze kuokolewa.
8 Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
Ulileta mzabibu kutoka Misri, ukawafukuza mataifa, ukaupanda.
9 Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
Uliandaa shamba kwa ajili yake, mizizi ikawa imara, ukajaza nchi.
10 Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo.
Milima ilifunikwa kwa kivuli chake, matawi yake yakafunika mierezi mikubwa.
11 Nampisandrahaka ny rantsany hatramin’ ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin’ ny Ony.
Matawi yake yalienea mpaka Baharini, machipukizi yake mpaka kwenye Mto.
12 Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan’ izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
Mbona umebomoa kuta zake ili wote wapitao karibu wazichume zabibu zake?
13 Ny lambo avy any an’ ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
Nguruwe mwitu wanauharibu na wanyama wa kondeni hujilisha humo.
14 Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
Turudie, Ee Mungu Mwenye Nguvu Zote! Tazama chini kutoka mbinguni na uone! Linda mzabibu huu,
15 Arovy izay nambolen’ ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.
mche ulioupanda kwa mkono wako wa kuume, mwana uliyemlea kwa ajili yako mwenyewe.
16 Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran’ ny tavanao izy.
Mzabibu wako umekatwa, umechomwa moto, unapowakemea, watu wako huangamia.
17 Aoka ny tananao ho amin’ ny lehilahin’ ny tananao ankavanana, dia amin’ ny zanak’ olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
Mkono wako na utulie juu ya mtu aliyeko mkono wako wa kuume, mwana wa mtu uliyemlea kwa ajili yako mwenyewe.
18 Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.
Ndipo hatutakuacha tena, utuhuishe, nasi tutaliitia jina lako.
19 Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
Ee Bwana Mungu Mwenye Nguvu Zote, uturejeshe; utuangazie uso wako, ili tuweze kuokolewa.

< Salamo 80 >