< Salamo 8 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra! nataonao eny amin’ ny lanitra ny voninahitrao.
Kwa mwimbishaji. Mtindo wa gitithi. Zaburi ya Daudi. Ee Bwana, Bwana wetu, tazama jinsi lilivyo tukufu jina lako duniani mwote! Umeuweka utukufu wako juu ya mbingu.
2 Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
Midomoni mwa watoto wachanga na wanyonyao umeamuru sifa, kwa sababu ya watesi wako, kumnyamazisha adui na mlipiza kisasi.
3 Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
Nikiziangalia mbingu zako, kazi ya vidole vyako, mwezi na nyota, ulizoziratibisha,
4 Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no amangianao azy?
mwanadamu ni kitu gani hata unamfikiria, binadamu ni nani hata unamjali?
5 Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.
Umemfanya chini kidogo kuliko viumbe wa mbinguni, ukamvika taji ya utukufu na heshima.
6 Efa nampanjakainao amin’ ny asan’ ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ ny tongony,
Umemfanya mtawala juu ya kazi za mikono yako; umeweka vitu vyote chini ya miguu yake.
7 Dia ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,
Mifugo na makundi yote pia, naam, na wanyama wa kondeni,
8 Mbamin’ ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina, izay mandeha amin’ ny lalan-dranomasina.
ndege wa angani na samaki wa baharini, naam, kila kiogeleacho katika njia za bahari.
9 Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra!
Ee Bwana, Bwana wetu, tazama jinsi lilivyo tukufu jina lako duniani mwote!

< Salamo 8 >