< Salamo 78 >

1 Maskila nataon’ i Asafa.
Utenzi wa Asafu. Enyi watu wangu, sikieni mafundisho yangu, sikilizeni maneno ya kinywa changu.
2 Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.
Nitafungua kinywa changu kwa mafumbo, nitazungumza mambo yaliyofichika, mambo ya kale:
3 Izay efa rentsika sy fantatsika, ary nambaran’ ny razantsika tamintsika,
yale ambayo tuliyasikia na kuyajua, yale ambayo baba zetu walituambia.
4 Dia tsy mba hafenintsika amin’ ny zanany; fa hambarantsika amin’ ny taranaka ho avy ny fiderana an’ i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
Hatutayaficha kwa watoto wao; tutakiambia kizazi kijacho matendo yastahiliyo sifa ya Bwana, uweza wake, na maajabu aliyoyafanya.
5 Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin’ i Jakoba Izy, ary teo amin’ Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;
Aliagiza amri kwa Yakobo na akaweka sheria katika Israeli, ambazo aliwaamuru baba zetu wawafundishe watoto wao,
6 Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy ― dia ny zaza mbola hateraka ― ka hitsangana hitory izany amin’ ny zanany kosa,
ili kizazi kijacho kizijue, pamoja na watoto ambao watazaliwa, nao pia wapate kuwaeleza watoto wao.
7 Mba hametraka ny fanantenany amin’ Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny;
Ndipo wangeweka tumaini lao kwa Mungu, nao wasingesahau matendo yake, bali wangalizishika amri zake.
8 Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin’ Andriamanitra ny fanahiny.
Ili wasifanane na baba zao, waliokuwa kizazi cha ukaidi na uasi, ambao roho zao hazikuwa na uaminifu kwake, ambao roho zao hazikumwamini.
9 Ny zanak’ i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin’ ny andro fiadiana.
Watu wa Efraimu, ingawa walijifunga pinde, walikimbia siku ya vita.
10 Tsy nitandrina ny fanekena amin’ Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
Hawakulishika agano la Mungu na walikataa kuishi kwa sheria yake.
11 Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.
Walisahau aliyokuwa ameyatenda, maajabu aliyokuwa amewaonyesha.
12 Teo anatrehan’ ny razany no nanaovany fahagagana tany amin’ ny tany Egypta, dia tany amin’ ny tany lemak’ i Zoana.
Alitenda miujiza machoni mwa baba zao, huko Soani, katika nchi ya Misri.
13 Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
Aliigawanya bahari akawapitisha, alifanya maji yasimame imara kama ukuta.
14 Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
Aliwaongoza kwa wingu mchana na kwa nuru kutoka kwenye moto usiku kucha.
15 Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin’ ny rano lalina.
Alipasua miamba jangwani na akawapa maji tele kama bahari,
16 Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
alitoa vijito kutoka kwenye jabali lililochongoka, akayafanya maji yatiririke kama mito.
17 Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.
Lakini waliendelea kutenda dhambi dhidi yake, wakiasi jangwani dhidi ya Aliye Juu Sana.
18 Dia naka fanahy an’ Andriamanitra tam-pony izy, tamin’ ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.
Kwa makusudi walimjaribu Mungu, wakidai vyakula walivyovitamani.
19 Dia niteny nanohitra an’ Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra?
Walinena dhidi ya Mungu, wakisema, “Je, Mungu aweza kuandaa meza jangwani?
20 Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an’ ny olony va Izy?
Alipopiga mwamba, maji yalitoka kwa nguvu, vijito vikatiririka maji mengi. Lakini je, aweza kutupa chakula pia? Je, anaweza kuwapa watu wake nyama?”
21 Koa nony ren’ i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin’ i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely,
Bwana alipowasikia, alikasirika sana, moto wake ukawa dhidi ya Yakobo, na ghadhabu yake ikawaka dhidi ya Israeli,
22 Satria tsy nino an’ Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.
kwa kuwa hawakumwamini Mungu, wala kuutumainia ukombozi wake.
23 Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran’ ny lanitra no novohàny,
Hata hivyo alitoa amri kwa anga zilizo juu na kufungua milango ya mbingu,
24 Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin’ ny lanitra no nomeny azy.
akawanyeshea mana ili watu wale; aliwapa nafaka ya mbinguni.
25 Ny fihinan’ ny mahery no nohanin’ ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.
Watu walikula mkate wa malaika, akawatumia chakula chote ambacho wangeliweza kula.
26 Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin’ ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.
Aliachia upepo wa mashariki kutoka kwenye mbingu na kuuongoza upepo wa kusini kwa uwezo wake.
27 Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina,
Aliwanyeshea nyama kama mavumbi, ndege warukao kama mchanga wa pwani.
28 Ka nalatsany teny afovoan’ ny tobiny, manodidina ny fitoerany.
Aliwafanya washuke ndani ya kambi yao, kuzunguka mahema yao yote.
29 Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy.
Walikula na kusaza, kwa maana alikuwa amewapa kile walichotamani.
30 Nefa tsy niala tamin’ ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny;
Kabla hawajamaliza kula walichokitamani, hata kilipokuwa kingali bado vinywani mwao,
31 Dia nirehitra taminy ny fahatezeran’ Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin’ ny Isiraely.
hasira ya Mungu ikawaka juu yao, akawaua wale waliokuwa na nguvu zaidi miongoni mwao, akiwaangusha vijana wa Israeli.
32 Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony.
Licha ya haya yote, waliendelea kutenda dhambi, licha ya maajabu yake, hawakuamini.
33 Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin’ ny fampitahorana.
Kwa hiyo akamaliza siku zao katika ubatili na miaka yao katika vitisho.
34 Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an’ Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.
Kila mara Mungu alipowaua baadhi yao, waliosalia walimtafuta, walimgeukia tena kwa shauku.
35 Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.
Walikumbuka kwamba Mungu alikuwa Mwamba wao, kwamba Mungu Aliye Juu Sana alikuwa Mkombozi wao.
36 Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.
Lakini walimdanganya kwa vinywa vyao, wakisema uongo kwa ndimi zao,
37 Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.
mioyo yao haikuwa thabiti kwake, wala hawakuwa waaminifu katika agano lake.
38 Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
Hata hivyo alikuwa na huruma, alisamehe maovu yao na hakuwaangamiza. Mara kwa mara alizuia hasira yake, wala hakuchochea ghadhabu yake yote.
39 Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.
Alikumbuka kwamba wao walikuwa nyama tu, upepo upitao ambao haurudi.
40 Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin’ ny tany foana!
Mara ngapi walimwasi jangwani na kumhuzunisha nyikani!
41 Naka fanahy an’ Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Walimjaribu Mungu mara kwa mara, wakamkasirisha yeye Aliye Mtakatifu wa Israeli.
42 Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin’ ny fahavalo,
Hawakukumbuka uwezo wake, siku aliyowakomboa kutoka kwa mtesi,
43 Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak’ i Zoana:
siku aliyoonyesha ishara zake za ajabu huko Misri, maajabu yake huko Soani.
44 Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana.
Aligeuza mito yao kuwa damu, hawakuweza kunywa maji kutoka vijito vyao.
45 Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny.
Aliwapelekea makundi ya mainzi yakawala, na vyura wakawaharibu.
46 Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an’ ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an’ ny valala.
Aliruhusu tunutu kuharibu mimea yao, mazao yao kwa nzige.
47 Namono ny voalobony tamin’ ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin’ ny havandra vaventy.
Aliharibu mizabibu yao kwa mvua ya mawe na mikuyu yao kwa mvua iliyochangamana na theluji.
48 Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an’ ny havandra Izy, ary ny omby aman’ ondriny ho an’ ny varatra.
Aliwaachia mifugo yao mvua ya mawe, akayapiga makundi ya wanyama wao kwa radi.
49 Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.
Aliwafungulia hasira yake kali, ghadhabu yake, hasira na uadui, na kundi la malaika wa kuharibu.
50 Namboatra lalana ho an’ ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin’ ireo tamin’ ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin’ ny areti-mandringana;
Aliitengenezea njia hasira yake, hakuwaepusha na kifo, bali aliwaachia tauni.
51 Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan’ ainy tany an-dain’ i Hama;
Aliwapiga wazaliwa wote wa kwanza wa Misri, matunda ya kwanza ya ujana katika mahema ya Hamu.
52 Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany.
Lakini aliwatoa watu wake kama kundi, akawaongoza kama kondoo kupitia jangwani.
53 Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron’ ny ranomasina.
Aliwaongoza salama, wala hawakuogopa, bali bahari iliwameza adui zao.
54 Ary nitondra azy ho any amin’ ny tany misy ny fitoerany masìna Izy, dia ny tendrombohitra izay azon’ ny tànany ankavanana.
Hivyo akawaleta hadi kwenye mpaka wa nchi yake takatifu, hadi nchi ya vilima ambayo mkono wake wa kuume ulikuwa umeitwaa.
55 Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin’ ireny ho lova nozaraina tamin’ ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen’ Isiraely tao an-dainy.
Aliyafukuza mataifa mbele yao, na kuwagawia nchi zao kama urithi, aliwakalisha makabila ya Israeli katika makao yao.
56 Nefa naka fanahy an’ Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany.
Lakini wao walimjaribu Mungu, na kuasi dhidi ya Yeye Aliye Juu Sana, wala hawakuzishika sheria zake.
57 Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.
Kama baba zao, hawakuwa thabiti wala waaminifu, wakawa wasioweza kutegemewa kama upinde wenye kasoro.
58 Ary nampahatezitra Azy tamin’ ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin’ ny sarin-javatra voasokitra.
Wakamkasirisha Mungu kwa mahali pao pa juu pa kuabudia miungu, wakachochea wivu wake kwa sanamu zao.
59 Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely,
Wakati Mungu alipowasikia, alikasirika sana, akamkataa Israeli kabisa.
60 Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin’ ny olona;
Akaiacha hema ya Shilo, hema aliyokuwa ameiweka katikati ya wanadamu.
61 Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan’ ny fahavalo.
Akalipeleka Sanduku la nguvu zake utumwani, utukufu wake mikononi mwa adui.
62 Dia nanolotra ny olony ho an’ ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin’ ny lovany Izy.
Aliachia watu wake wauawe kwa upanga, akaukasirikia sana urithi wake.
63 Ny zatovolahiny dia lanin’ ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.
Moto uliwaangamiza vijana wao, na wanawali wao hawakuimbiwa nyimbo za arusi,
64 Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan’ ireo tsy nisaona.
makuhani wao waliuawa kwa upanga, wala wajane wao hawakuweza kulia.
65 Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ ny divay.
Ndipo Bwana alipoamka kama vile kuamka usingizini, kama vile mtu aamkavyo kutoka kwenye bumbuazi la mvinyo.
66 Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.
Aliwapiga na kuwashinda adui zake, akawatia katika aibu ya milele.
67 Dia nanary ny lain’ i Josefa Izy, ary ny firenen’ i Efraima tsy nofidiny.
Ndipo alipozikataa hema za Yosefu, hakulichagua kabila la Efraimu,
68 Fa nifidy ny firenen’ i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
lakini alilichagua kabila la Yuda, Mlima Sayuni, ambao aliupenda.
69 Dia nanao ny fitoerany masìna ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.
Alijenga patakatifu pake kama vilele, kama dunia ambayo aliimarisha milele.
70 Dia nifidy an’ i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan’ ondry;
Akamchagua Daudi mtumishi wake na kumtoa kwenye mazizi ya kondoo.
71 Tany amin’ ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an’ i Jakoba olony sy Isiraely lovany;
Kutoka kuchunga kondoo alimleta kuwa mchungaji wa watu wake Yakobo, wa Israeli urithi wake.
72 Dia niandry ireo araka ny hitsin’ ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan’ ny tànany.
Naye Daudi aliwachunga kwa uadilifu wa moyo, kwa mikono ya ustadi aliwaongoza.

< Salamo 78 >