< Salamo 77 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’ i Asafa. Ny feoko dia mankany amin’ Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’ Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
For the excellent musician Ieduthun. A Psalme committed to Asaph. My voyce came to God, when I cryed: my voyce came to God, and he heard me.
2 Tamin’ ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
In the day of my trouble I sought ye Lord: my sore ranne and ceased not in the night: my soule refused comfort.
3 Ta-hahatsiaro an’ Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko. (Sela)
I did thinke vpon God, and was troubled: I praied, and my spirit was full of anguish. (Selah)
4 Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
Thou keepest mine eyes waking: I was astonied and could not speake.
5 Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
Then I considered the daies of olde, and the yeeres of ancient time.
6 Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ ny alina aho; te-hidinidinika amin’ ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
I called to remembrance my song in the night: I communed with mine owne heart, and my spirit searched diligently.
7 Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
Will the Lord absent him selfe for euer? and will he shewe no more fauour?
8 Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
Is his mercie cleane gone for euer? doeth his promise faile for euermore?
9 Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny? (Sela)
Hath God forgotten to be mercifull? hath he shut vp his teder mercies in displeasure? (Selah)
10 Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan’ ny tanana ankavanan’ ny Avo Indrindra.
And I sayde, This is my death: yet I remembred the yeeres of the right hand of the most High.
11 Hampahatsiaro ny asan’ i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
I remembred the workes of the Lord: certainely I remembred thy wonders of olde.
12 Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
I did also meditate all thy woorkes, and did deuise of thine actes, saying,
13 Andriamanitra ô, amin’ ny fitoerana masìna ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an’ Andriamanitra?
Thy way, O God, is in the Sanctuarie: who is so great a God as our God!
14 Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin’ ny firenena Hianao.
Thou art ye God that doest wonders: thou hast declared thy power among the people.
15 Navotan’ ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’ i Jakoba sy Josefa. (Sela)
Thou hast redeemed thy people with thine arme, euen the sonnes of Iaakob and Ioseph. (Selah)
16 Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
The waters sawe thee, O God: the waters sawe thee, and were afraide: yea, the depths trembled.
17 Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
The cloudes powred out water: the heauens gaue a sounde: yea, thine arrowes went abroade.
18 Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
The voyce of thy thunder was rounde about: the lightnings lightened the worlde: the earth trembled and shooke.
19 Tany amin’ ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
Thy way is in the Sea, and thy paths in the great waters, and thy footesteps are not knowen.
20 Ny tanan’ i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.
Thou diddest leade thy people like sheepe by the hand of Moses and Aaron.