< Salamo 76 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo nataon’ i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin’ ny Joda; malaza eo amin’ ny Isiraely ny anarany;
Kwa mwimbishaji. Kwa ala za nyuzi za muziki. Zaburi ya Asafu. Wimbo. Katika Yuda, Mungu anajulikana, jina lake ni kuu katika Israeli.
2 Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
Hema lake liko Salemu, makao yake katika Sayuni.
3 Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana. (Sela)
Huko alivunja mishale imetametayo, ngao na panga, silaha za vita.
4 Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin’ ny tendrombohitra fitohàna.
Wewe unangʼaa kwa mwanga, mwenye fahari zaidi ya milima yenye utajiri wa wanyama pori.
5 Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.
Mashujaa hulala wametekwa nyara, hulala usingizi wao wa mwisho; hakuna hata mmoja wa watu wa vita anayeweza kuinua mikono yake.
6 Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’ i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
Kwa kukemea kwako, Ee Mungu wa Yakobo, farasi na gari la vita vilikaa kimya.
7 Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?
Wewe peke yako ndiye wa kuogopwa. Ni nani awezaye kusimama mbele yako unapokasirika?
8 Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
Kutoka mbinguni ulitamka hukumu, nayo nchi ikaogopa, ikawa kimya:
9 Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. (Sela)
wakati wewe, Ee Mungu, ulipoinuka kuhukumu, kuwaokoa wote walioonewa katika nchi.
10 Fa ny fahatezeran’ ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
Hakika ghadhabu yako dhidi ya wanadamu inakuletea sifa, na masalia ya ghadhabu yako unajifunga mshipi.
11 Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an’ Izay mahatahotra.
Wekeni nadhiri kwa Bwana Mungu wenu na kuzitimiza; nchi zote za jirani na walete zawadi kwa Yule astahiliye kuogopwa.
12 Manapaka ny reharehan’ ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan’ ny tany.
Huvunja roho za watawala; anaogopwa na wafalme wa dunia.

< Salamo 76 >