< Salamo 75 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon’ i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
Tunatoa shukrani kwako, Mungu; tunatoa shukrani, maana wewe unaufunua uwepo wako; watu huzungumza kuhusu kazi zako za ajabu.
2 Fa ho avy tokoa amin’ ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.
Kwa wakati maalum nitahukumu kwa haki.
3 Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny. (Sela)
Ingawa nchi na wenyeji wote watatikisika katika hofu, ninaifanyia nchi nguzo za kutosha. (Selah)
4 Hoy izaho tamin’ ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin’ ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;
Nilisema kwa wenye kiburi, “Msiwe wenye kiburi,” na kwa waovu, “Msiinue mapembe.
5 Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin’ ny fahamafian-katoka.
Msiinue mapembe yenu kwenye marefu; wala msizungumze kwa shingo ya kiburi.”
6 Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.
Sio kutoka mashariki au magharibi, na wala sio kutoka jangwani ambako kuinuliwa kunakuja.
7 Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
Bali Mungu ni muhumkumu; humshusha huyu na kumuinua huyu.
8 Fa misy kapoaka eo an-tànan’ i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany dia hitroka ny faikany.
Kwa kuwa Yahwe kashikilia mkononi mwake kikombe cha mvinyo wenye povu, ambao umechanganywa na vilolezo, naye huimimina. Hakika waovu wote wa duniani watakunywa mvinyo hadi tone la mwisho.
9 Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an’ Andriamanitr’ i Jakoba.
Bali mimi nitaendelea kusema yale ambayo umeyatenda; nami nitamwimbia sifa Mungu wa Yakobo.
10 Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
Yeye husema, “Nitayakata mapembe yote ya waovu, lakini mapembe ya wenye haki yatainuliwa.”

< Salamo 75 >