< Salamo 73 >
1 Salamo nataon’ i Asafa.
2 Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako,
3 Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ ny ratsy fanahy.
4 Fa tsy misy fanaintainana amin’ ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.
5 Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.
6 Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.
7 Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony.
8 Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.
9 Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.
10 Izany no itodihan’ ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin’ ireny;
11 Ka hoy izy: Hataon’ Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?
12 Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.
13 Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin’ ny fahamarinana.
14 Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.
15 Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.
16 Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
17 Mandra-piditro tao amin’ ny fitoera-masin’ Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.
18 Eo amin’ izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.
19 Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!
20 Tahaka ny anaovan’ ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik’ ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.
21 Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako,
22 Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho.
23 Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.
24 Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ ny voninahitra aho.
25 Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin’ ny tany iriko tahaka Anao.
26 Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
27 Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.
28 Fa, izaho, dia ny ho akaikin’ Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.