< Salamo 72 >

1 Nataon’ i Solomona.
Zaburi ya Solomoni. Ee Mungu, mjalie mfalme aamue kwa haki yako, mwana wa mfalme kwa haki yako.
2 Hitsara ny olonao amin’ ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin’ ny fahitsiana.
Atawaamua watu wako kwa haki, watu wako walioonewa kwa haki.
3 Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an’ ny olona, eny, ny havoana koa amin’ ny fahamarinana.
Milima italeta mafanikio kwa watu, vilima tunda la haki.
4 Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
Atawatetea walioonewa miongoni mwa watu na atawaokoa watoto wa wahitaji, ataponda mdhalimu.
5 Hatahotra anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Atadumu kama jua lidumuvyo, kama mwezi, vizazi vyote.
6 Hidina tahaka ny ranonorana amin’ ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin’ ny tany.
Atakuwa kama mvua inyeshayo juu ya shamba lililofyekwa, kama manyunyu yanyeshayo ardhi.
7 Ny marina hitrebona amin’ ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.
Katika siku zake wenye haki watastawi; mafanikio yatakuwepo mpaka mwezi utakapokoma.
8 Ary hanjaka hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina izy, ary hatramin’ ny ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany.
Atatawala kutoka bahari hadi bahari na kutoka Mto mpaka miisho ya dunia.
9 Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.
Makabila ya jangwani watamsujudia, na adui zake wataramba mavumbi.
10 Ny mpanjakan’ i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan’ i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.
Wafalme wa Tarshishi na wa pwani za mbali watamletea kodi; wafalme wa Sheba na Seba watampa zawadi.
11 Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.
Wafalme wote watamsujudia na mataifa yote yatamtumikia.
12 Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;
Kwa maana atamwokoa mhitaji anayemlilia, aliyeonewa asiye na wa kumsaidia.
13 Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ ny malahelo.
Atawahurumia wanyonge na wahitaji na kuwaokoa wahitaji kutoka mauti.
14 Hanavotra ny fanahiny amin’ ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny.
Atawaokoa kutoka uonevu na ukatili, kwani damu yao ni ya thamani machoni pake.
15 Dia ho velona ireny ka hanome azy volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan’ andro no hisaorany azy.
Aishi maisha marefu! Na apewe dhahabu ya Sheba. Watu wamwombee daima na kumbariki mchana kutwa.
16 Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ ny tany.
Nafaka ijae tele katika nchi yote, juu ya vilele vya vilima na istawi. Tunda lake na listawi kama Lebanoni, listawi kama majani ya kondeni.
17 Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.
Jina lake na lidumu milele, na lidumu kama jua. Mataifa yote yatabarikiwa kupitia kwake, nao watamwita aliyebarikiwa.
18 Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;
Bwana Mungu, Mungu wa Israeli, apewe sifa, yeye ambaye peke yake hutenda mambo ya ajabu.
19 Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.
Jina lake tukufu lisifiwe milele, ulimwengu wote ujae utukufu wake.
20 Tapitra ny fivavak’ i Davida, zanak’ i Jese.
Huu ndio mwisho wa maombi ya Daudi mwana wa Yese.

< Salamo 72 >