< Salamo 71 >

1 Hianao, Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho.
In you, O LORD, do I put my trust: let me never be put to confusion.
2 Vonjeo ny fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho.
Deliver me in your righteousness, and cause me to escape: incline your ear to me, and save me.
3 Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao.
Be you my strong habitation, where I may continually resort: you have given commandment to save me; for you are my rock and my fortress.
4 Andriamanitro ô, afaho amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy aho, dia amin’ ny tanan’ ny mpanao meloka sy ny lozabe.
Deliver me, O my God, out of the hand of the wicked, out of the hand of the unrighteous and cruel man.
5 Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
For you are my hope, O Lord GOD: you are my trust from my youth.
6 Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva.
By you have I been held up from the womb: you are he that took me out of my mother’s bowels: my praise shall be continually of you.
7 Tonga toa zava-mahagaga eo imason’ ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
I am as a wonder to many; but you are my strong refuge.
8 Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva.
Let my mouth be filled with your praise and with your honor all the day.
9 Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.
Cast me not off in the time of old age; forsake me not when my strength fails.
10 Fa miresaka ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko.
For my enemies speak against me; and they that lay wait for my soul take counsel together,
11 Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy.
Saying, God has forsaken him: persecute and take him; for there is none to deliver him.
12 Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy.
O God, be not far from me: O my God, make haste for my help.
13 Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy.
Let them be confounded and consumed that are adversaries to my soul; let them be covered with reproach and dishonor that seek my hurt.
14 Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.
But I will hope continually, and will yet praise you more and more.
15 Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
My mouth shall show forth your righteousness and your salvation all the day; for I know not the numbers thereof.
16 Ho entiko ny asa lehibe nataon’ i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.
I will go in the strength of the Lord GOD: I will make mention of your righteousness, even of your only.
17 Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
O God, you have taught me from my youth: and till now have I declared your wondrous works.
18 Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’ izay rehetra mbola ho avy.
Now also when I am old and gray headed, O God, forsake me not; until I have showed your strength to this generation, and your power to every one that is to come.
19 Ary mihatra amin’ izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?
Your righteousness also, O God, is very high, who have done great things: O God, who is like to you!
20 Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray, ka hampiakatra ahy indray hiala amin’ ny fitoerana lalina amin’ ny tany.
You, which have showed me great and sore troubles, shall quicken me again, and shall bring me up again from the depths of the earth.
21 Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao.
You shall increase my greatness, and comfort me on every side.
22 Izaho kosa hidera Anao amin’ ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin’ ny lokanga aho, ry Iray Masin’ ny Isiraely ô.
I will also praise you with the psaltery, even your truth, O my God: to you will I sing with the harp, O you Holy One of Israel.
23 Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;
My lips shall greatly rejoice when I sing to you; and my soul, which you have redeemed.
24 Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.
My tongue also shall talk of your righteousness all the day long: for they are confounded, for they are brought to shame, that seek my hurt.

< Salamo 71 >