< Salamo 70 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida. Ho fampahatsiarovana. Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
大衛的紀念詩,交與伶長。 上帝啊,求你快快搭救我! 耶和華啊,求你速速幫助我!
2 Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ ny manjo ahy;
願那些尋索我命的,抱愧蒙羞; 願那些喜悅我遭害的,退後受辱。
3 Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!
願那些對我說阿哈、阿哈的, 因羞愧退後。
4 Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.
願一切尋求你的,因你高興歡喜; 願那些喜愛你救恩的,常說:當尊上帝為大!
5 Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.
但我是困苦窮乏的; 上帝啊,求你速速到我這裏來! 你是幫助我的,搭救我的。 耶和華啊,求你不要耽延!

< Salamo 70 >