< Salamo 7 >

1 Sigaiona nataon’ i Davida, izay nohirainy ho an’ i Jehovah noho ny tenin’ i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin’ izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
Yahweh Mungu wangu, kwako napata kimbilio! Uninusuru na hao wote wanikimbizao, na uniokoe.
2 Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon’ ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
Vinginevyo, watanipura kama simba, na kunitawanya viapande vipande na asiwepo mtu wa kuweza kunirudisha katika usalama.
3 Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
Yawheh Mungu wangu, Sijawahi kufanya kile maadui zangu wanacho sema nilifanya; sina hatia katika mikono yangu.
4 Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana
Sijawahi kumkosea mtu yeyote aliye na amani na mimi, au kumdhuru kipumbavu yeyote aliye kinyume na mimi.
5 Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin’ ny vovoka. (Sela)
Ikiwa sisemi ukweli basi umruhusu adui yangu kuyaingilia maisha yangu na kuyaharibu; na umuache aukanyage mwili wangu ulio hai kwenye aridhi na kuuacha umelala kwa aibu mavumbini. (Selah)
6 Jehovah ô, mitsangàna amin’ ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
Inuka, Yahweh, katika hasira yako; simama kinyume na hasira kali ya adui zangu; amka kwa ajili yangu na ubebe amri zako ambazo wewe umeamuru kwa ajili yao.
7 Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin’ ny avo eo amboniny Hianao,
Mataifa yote yamekuzunguka; uwatawale kutoka mbinguni.
8 Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
Yahweh, uwahukumu mataifa; uwaonyeshe kuwa sina hatia, Yahweh, kwa sababu mimi ni mwenye haki na sina hatia, Ewe uliye juu.
9 Aoka ho tapaka ny ratsy ataon’ ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.
Matendo ya waovu na yafike mwisho, bali uanzishe watu wenye haki, Mungu mwenye haki, wewe ambaye unapima mioyo na fahamu.
10 Ny ampingako dia ao amin’ Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
Ngao yangu inatoka kwa Mungu, yule anaye okoa moyo wa mwenye haki.
11 Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan’ andro.
Mungu ni mwamuzi mwenye haki, Mungu anaye chukizwa na waovu kila siku.
12 Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,
Ikiwa kuna mtu hatubu, Mungu atanoa upanga wake na ata andaa upinde wake kwa ajili ya vita.
13 Ary ireo dia kendreny amin’ ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
Ana jiandaa kutumia siraha kupambana naye; anatengeneza mishale yake kuwa ya moto.
14 Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza;
Fikiria kuhusu huyo ambaye ana ujauzito wa maovu, mwenye mimba ya mipango ya uharibifu, anaye zaa sumu ya uharibifu.
15 Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin’ ny longoa nataony ihany izy;
Yeye huchimba shimo na kuliacha wazi kisha baadaye hudumbukia katika shimo alilochimba mwenyewe.
16 Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran’ ny loza nataony.
Mipango yake mwenyewe ya uharibifu hugeukia kichwa chake mwenyewe, kwa kuwa vurugu zake mwenyewe humshukia kichwani pake.
17 Hidera an’ i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran’ i Jehovah Avo Indrindra.
Kwa haki yako Mungu nitakushukuru; nitaimba sifa kwa Mungu aliye juu.

< Salamo 7 >