< Salamo 7 >

1 Sigaiona nataon’ i Davida, izay nohirainy ho an’ i Jehovah noho ny tenin’ i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin’ izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
ベニヤミンの人クシの言につきダビデ、ヱホバに對ひてうたへるシガヨンの歌 わが神ヱホバよわれ汝によりたのむ 願くはすべての逐せまるものより我をすくひ我をたすけたまへ
2 Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon’ ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
おそらくはかれ獅の如くわが霊魂をかきやぶり援るものなき間にさきてずたずたに爲ん
3 Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
わが神ヱホバよ もしわれ此事をなししならんには わが手によこしまの纏りをらんには
4 Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana
故なく仇ずるものをさへ助けしに禍害をもてわが友にむくいしならんには
5 Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin’ ny vovoka. (Sela)
よし仇人わがたましひを逐とらへ わが生命をつちにふみにじりわが榮を塵におくとも その作にまかせよ (セラ)
6 Jehovah ô, mitsangàna amin’ ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
ヱホバよなんぢの怒をもて起わが仇のいきどほりにむかひて立たまへ わがために目をさましたまへ なんぢは審判をおほせ出したまへり
7 Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin’ ny avo eo amboniny Hianao,
もろもろの人の會がなんぢのまはりに集はしめ 其上なる高座にかへりたまヘ
8 Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
ヱホバはもろもろの民にさばきを行ひたまふ ヱホバよわが正義とわが衷なる完全とにしたがひて我をさばきたまへ
9 Aoka ho tapaka ny ratsy ataon’ ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.
ねがはくは惡きものの曲事をたちて義しきものを堅くしたまへ ただしき神は人のこころと腎とをさぐり知たまふ
10 Ny ampingako dia ao amin’ Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
わが盾をとるものは心のなほきものをすくふ神なり
11 Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan’ andro.
神はただしき審士ひごとに忿恚をおこしたまふ神なり
12 Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,
人もしかへらずば神はその劍をとぎ その弓をはりてかまヘ
13 Ary ireo dia kendreny amin’ ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
これに死の器をそなへ その矢に火をそへたまはん
14 Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza;
視よその人はよこしまを産んとしてくるしむ 残害をはらみ虚偽をうむなり
15 Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin’ ny longoa nataony ihany izy;
また坑をほりてふかくし己がつくれるその溝におちいれり
16 Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran’ ny loza nataony.
その残害はおのが首にかへり その強暴はおのが頭上にくだらん
17 Hidera an’ i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran’ i Jehovah Avo Indrindra.
われその義によりてヱホバに感謝し いとたかきヱホバの名をほめうたはん

< Salamo 7 >