< Salamo 67 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; (Sela) hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
Ya Mukulu wa Bayimbi. Ebivuga eby’enkoba. Zabbuli. Oluyimba. Ayi Katonda tukwatirwe ekisa, otuwe omukisa, era otwakize amaaso go.
2 Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra.
Ekkubo lyo limanyibwe mu nsi, n’obulokozi bwo mu mawanga gonna.
3 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
Abantu bakutenderezenga, Ayi Katonda, abantu bonna bakutenderezenga.
4 Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. (Sela)
Amawanga gonna gasanyuke, gayimbe nga gajjudde essanyu. Kubanga ofuga abantu bonna mu bwenkanya, n’oluŋŋamya amawanga ag’ensi.
5 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
Abantu bakutenderezenga, Ayi Katonda, abantu bonna bakutenderezenga.
6 Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
Ensi erireeta amakungula gaayo; era Katonda, Katonda waffe, anaatuwanga omukisa.
7 Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
Katonda anaatuwanga omukisa; n’enkomerero z’ensi zinaamutyanga.

< Salamo 67 >