< Salamo 66 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Tonon-kira. Salamo.
For the Chief Musician. A song. A Psalm. Make a joyful shout to God, all the earth!
2 Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.
Sing to the glory of his name! Offer glory and praise!
3 Lazao amin’ Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ ny herinao no hikoizan’ ny fahavalonao Anao.
Tell God, “How awesome are your deeds! Through the greatness of your power, your enemies submit themselves to you.
4 Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. (Sela)
All the earth will worship you, and will sing to you; they will sing to your name.” (Selah)
5 Avia, ka jereo ny asan’ Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ ny zanak’ olombelona.
Come, and see God’s deeds— awesome work on behalf of the children of men.
6 Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra.
He turned the sea into dry land. They went through the river on foot. There, we rejoiced in him.
7 Manjaka mandrakizay amin’ ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra. (Sela)
He rules by his might forever. His eyes watch the nations. Do not let the rebellious rise up against him. (Selah)
8 Misaora an’ Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,
Praise our God, you peoples! Make the sound of his praise heard,
9 Izay mampitoetra ny fanahintsika amin’ ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.
who preserves our life among the living, and does not allow our feet to be moved.
10 Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ ny memy.
For you, God, have tested us. You have refined us, as silver is refined.
11 Efa nampiditra anay tamin’ ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.
You brought us into prison. You laid a burden on our backs.
12 Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin’ ny fitahiana mahatretrika Hianao.
You allowed men to ride over our heads. We went through fire and through water, but you brought us to the place of abundance.
13 Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,
I will come into your temple with burnt offerings. I will pay my vows to you,
14 Izay notononin’ ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
which my lips promised, and my mouth spoke, when I was in distress.
15 Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin’ ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho. (Sela)
I will offer to you burnt offerings of fat animals, with the offering of rams, I will offer bulls with goats. (Selah)
16 Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’ Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ ny fanahiko.
Come and hear, all you who fear God. I will declare what he has done for my soul.
17 Izy no nantsoin’ ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ ny lelako.
I cried to him with my mouth. He was extolled with my tongue.
18 Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;
If I cherished sin in my heart, the Lord would not have listened.
19 Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon’ ny fivavako Izy.
But most certainly, God has listened. He has heard the voice of my prayer.
20 Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.
Blessed be God, who has not turned away my prayer, nor his loving kindness from me.

< Salamo 66 >