< Salamo 61 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Nataon’ i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako.
למנצח על-נגינת לדוד ב שמעה אלהים רנתי הקשיבה תפלתי
2 Any am-paran’ ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin’ ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;
מקצה הארץ אליך אקרא-- בעטף לבי בצור-ירום ממני תנחני
3 Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.
כי-היית מחסה לי מגדל-עז מפני אויב
4 Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin’ ny fanomban’ ny elatrao aho,
אגורה באהלך עולמים אחסה בסתר כנפיך סלה
5 Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan’ izay matahotra ny anaranao.
כי-אתה אלהים שמעת לנדרי נתת ירשת יראי שמך
6 Halavao ny andron’ ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.
ימים על-ימי-מלך תוסיף שנותיו כמו-דר ודר
7 Aoka hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;
ישב עולם לפני אלהים חסד ואמת מן ינצרהו
8 Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan’ andro ny voadiko.
כן אזמרה שמך לעד-- לשלמי נדרי יום יום

< Salamo 61 >