< Salamo 60 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon’ i Davida hampianarana, fony izy nanafika an’ i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin’ ny niverenan’ i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin’ ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.
Mungu, wewe umetutupa; umeuvunja ulinzi wetu; wewe umekuwa hasirani; utuwezeshe tena.
2 Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.
Wewe umeifanya nchi kutetemeka; umeipasua pasua; uiponye nyufa zake, maana zinatikisika.
3 Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
Wewe umewafanya watu wako kuona mambo magumu; umetufanya tunywe mvinyo wenye kutufanya kupepesuka.
4 Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana. (Sela)
Kwa wale wanao kuheshimu wewe, wewe umeweka bandera ionekane dhidi ya wale wabebao upinde. (Selah)
5 Mba hahafahan’ ny malalanao, dia vonjeo amin’ ny tananao ankavanana aho, ka valio.
Ili kwamba wale uwapendao waweze kuokolewa, utuokoe sisi kwa mkono wako wa kuume na unijibu.
6 Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema; ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko;
Mungu ameongea katika utakatifu wake, “Nitashangilia; nitaigawanya Shekemu na kuligawa bonde la Sukothi.
7 Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron’ ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;
Gileadi ni yangu, na Manase ni yangu na Ephraimu pia ni kofia yangu ya chuma; Yuda ni fimbo yangu ya kifalme.
8 Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.
Moabu ni bakuli langu la kunawia; juu ya Edomu nitatupa kiatu changu; nitapiga kelele za ushindi kwa sababu ya Filisti.”
9 Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?
Ni nani atakaye nileta kwenye mji imara? Ni nani ataniongoza kwenda Edomu?
10 Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin’ ny antokon’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
Lakini wewe, Mungu, je, haukutukataa? Wewe hauendi vitani pamoja na jeshi letu.
11 Vonjeo amin’ ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon’ ny olona.
Utusaidie dhidi ya adui yetu, maana msaada wa mwanadamu ni bure.
12 Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
Kwa msaada wa Mungu tutashinda; yeye atawakanyaga chini adui zetu.

< Salamo 60 >