< Salamo 60 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon’ i Davida hampianarana, fony izy nanafika an’ i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin’ ny niverenan’ i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin’ ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.
למנצח על-שושן עדות מכתם לדוד ללמד ב בהצותו את ארם נהרים-- ואת-ארם צובה וישב יואב ויך את-אדום בגיא-מלח-- שנים עשר אלף ג אלהים זנחתנו פרצתנו אנפת תשובב לנו
2 Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.
הרעשתה ארץ פצמתה רפה שבריה כי-מטה
3 Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
הראית עמך קשה השקיתנו יין תרעלה
4 Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana. (Sela)
נתתה ליראיך נס להתנוסס-- מפני קשט סלה
5 Mba hahafahan’ ny malalanao, dia vonjeo amin’ ny tananao ankavanana aho, ka valio.
למען יחלצון ידידיך הושיעה ימינך ועננו (וענני)
6 Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema; ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko;
אלהים דבר בקדשו--אעלזה אחלקה שכם ועמק סכות אמדד
7 Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron’ ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;
לי גלעד ולי מנשה ואפרים מעוז ראשי יהודה מחקקי
8 Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.
מואב סיר רחצי--על-אדום אשליך נעלי עלי פלשת התרועעי
9 Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?
מי יבלני עיר מצור מי נחני עד-אדום
10 Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin’ ny antokon’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
הלא-אתה אלהים זנחתנו ולא-תצא אלהים בצבאותינו
11 Vonjeo amin’ ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon’ ny olona.
הבה-לנו עזרת מצר ושוא תשועת אדם
12 Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
באלהים נעשה-חיל והוא יבוס צרינו

< Salamo 60 >