< Salamo 59 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy. Afaho amin’ ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin’ ny avo aho tsy ho azon’ izay miodina amiko.
To the chief Musician, Altaschith, Michtam of David; when Saul sent, and they watched the house to kill him. Deliver me from my enemies, O my God: defend me from them that rise up against me.
2 Afaho amin’ ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin’ ny mpandatsa-drà.
Deliver me from the workers of iniquity, and save me from bloody men.
3 Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.
For, lo, they lie in wait for my soul: the mighty are gathered against me; not for my transgression, nor for my sin, O LORD.
4 Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.
They run and prepare themselves without my fault: awake to help me, and behold.
5 Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin’ izay mpivadika ratsy fanahy. (Sela)
Thou therefore, O LORD God of hosts, the God of Israel, awake to visit all the heathen: be not merciful to any wicked transgressors. (Selah)
6 Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.
They return at evening: they make a noise like a dog, and go about the city.
7 Indro, mirezadrezatra amin’ ny vavany izy; sabatra no eo amin’ ny molony, fa iza, hono, no handre?
Behold, they belch out with their mouth: swords are in their lips: for who, say they, doth hear?
8 Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.
But thou, O LORD, shalt laugh at them; thou shalt have all the heathen in derision.
9 Koa noho ny herin’ ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.
Because of his strength will I wait upon thee: for God is my defence.
10 Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon’ Andriamanitra faly mijery ny amin’ ny fahavaloko aho.
The God of my mercy shall help me: God shall let me see my desire upon my enemies.
11 Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin’ ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.
Slay them not, lest my people forget: scatter them by thy power; and bring them down, O Lord our shield.
12 Ny fahotan’ ny vavany dia ny tenin’ ny molony; aoka hosamborina amin’ ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.
For the sin of their mouth and the words of their lips let them even be taken in their pride: and for cursing and lying which they speak.
13 Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin’ ny Jakoba ka hatramin’ ny faran’ ny tany. (Sela)
Consume them in wrath, consume them, that they may not be: and let them know that God ruleth in Jacob to the ends of the earth. (Selah)
14 Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.
And at evening let them return; and let them make a noise like a dog, and go about the city.
15 Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.
Let them wander up and down for food, and murmur if they are not satisfied.
16 Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin’ ny andro fahoriana.
But I will sing of thy power; yea, I will sing aloud of thy mercy in the morning: for thou hast been my defence and refuge in the day of my trouble.
17 Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.
To thee, O my strength, will I sing: for God is my defence, and the God of my mercy.

< Salamo 59 >