< Salamo 57 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida tamin’ ny nandosirany an’ i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ ny fanahiko; eny, ao amin’ ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ ny loza.
Tretrezo iraho ry Andrianañahare, iferenaiño, fa Ihe ro fitsoloham-piaiko; eka! an-talinjon’ ela’o ao ty fipalirako, ampara’ te ihelaña’ ty hankàñe.
2 Hitaraina amin’ Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’ Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.
Kanjieko t’i Andrianañahare Abo-tia; Aman’ Añahare fahatafeterako.
3 Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy. (Sela) Eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.
Hahitri’e hirik’an-dikerañe ao ty fandrombahañe ahy, endaha’e i mandialia ahikoy. Selà Ho sangitrihen’ Añahare ty fiferenaiña’e naho ty hatò’e.
4 Ny fanahiko dia eo afovoan’ ny liona; handry eo amin’ ny masiaka aho, dia eo amin’ ny zanak’ olombelona, ― lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.
An-teñateñan-diona ao ty fiaiko; itraofako handre o mpikofòke afoo; toe o ana’ ondatio, lefoñe naho ana-pale o famotsi’eo, fibara masioñe ty famele’iareo.
5 Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.
Onjoneñe ambone’ i likerañey irehe, ry Andrianañahare, ambone’ ty tane toy iaby ty enge’o.
6 Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. (Sela)
Nikotepe’ iareo harato o liakoo; mibokobokoke ty fiaiko; nihalia’ iereo koboñe ty aoloko eo, f’ie nigodoñe am-po’e ao. Selà
7 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.
Mijadoñe ty troko ry Andrianañahare, eka, gañe ty troko; hisabo iraho, eka hisabo fandrengeañe.
8 Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.
Mivañona, ry engeko! Mitroara ry kararàke naho marovany, hampitsekafako ty fanjirik’andro!
9 Hidera Anao eny amin’ ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin’ ny firenena aho.
Hañandriañe Azo iraho ry Talè añivo’ ondatio eo, ho rengeko an-tsabo amo kilakila‘ndatio ao.
10 Fa lehibe mihatra amin’ ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
Amy te ra’elahy pak’ an-dindiñe añe ty fiferenaiña’o; le pak’an-drahoñe eñe ty hatò’o.
11 Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.
Onjoneñe ambonen-dikerañ’eñe irehe ry Andrianañahare, ty enge’o ambone’ ty tane bey toy.