< Salamo 57 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida tamin’ ny nandosirany an’ i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ ny fanahiko; eny, ao amin’ ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ ny loza.
GAEASE nu guajo, O Yuus, gaease nu guajo; sa y antijo guinegüe güe guiya jago: magajet, y anineng y papamo ugogüeyo asta qui manmalofan y chinatsaga.
2 Hitaraina amin’ Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’ Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.
Bae juagang si Yuus Gueftaquilo; si Yuus ni y jafatinas todo y güinaja para guajo.
3 Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy. (Sela) Eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.
Ufanago guinin y langet ya unalibreyo; anae jalalatde ayo y malago pumañotyo. (Sila) Si Yuus utago y minaaseña yan y minagajetña.
4 Ny fanahiko dia eo afovoan’ ny liona; handry eo amin’ ny masiaka aho, dia eo amin’ ny zanak’ olombelona, ― lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.
Y antijo gaegue gui entalo y león sija: ya umaasonyo gui entalo ayo sija y minañila guafe, junggan, yan y lalajin taotao sija ni y nifenñija y lansa sija, yan flecha sija, ya y jilañija malagtos na espada.
5 Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.
Nadangculojao gui jilo y langet, O Yuus; polo y inenramo todo gui sanjilo tano.
6 Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. (Sela)
Jagas mamatinas laso, para y pinecatto; y antijo tumecon papa; jagas manmaguadog joyo gui menajo; ya sija mamodong maesaja gui taloloja. (Sila)
7 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.
Y corasonjo, esta meton, O Yuus, y corasonjo esta meton; bae jucanta, magajetja, jucanta alabansa sija.
8 Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.
Fagmata, inenrajo; fagmata, guitala yan atpa; guajoja na maesa magmatayo taftaf.
9 Hidera Anao eny amin’ ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin’ ny firenena aho.
Bae junaetjao grasias, O Jeova, gui entalo y taotao sija; jucantayejao alabansa sija gui entalo y nasion sija.
10 Fa lehibe mihatra amin’ ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
Sa asta y langet, dangculo y minaasemo, yan asta y mapagajes y minagajetmo.
11 Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.
Nadangculojao gui jilo y langet, O Yuus; polo y minalagmo todo gui sanjilo y tano.