< Salamo 56 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon’ i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
למנצח על-יונת אלם רחקים-- לדוד מכתם באחז אותו פלשתים בגת ב חנני אלהים כי-שאפני אנוש כל-היום לחם ילחצני
2 Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.
שאפו שוררי כל-היום כי-רבים לחמים לי מרום
3 Amin’ ny andro atahorako no itokiako Anao.
יום אירא-- אני אליך אבטח
4 Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko?
באלהים אהלל דברו באלהים בטחתי לא אירא מה-יעשה בשר לי
5 Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.
כל-היום דברי יעצבו עלי כל-מחשבתם לרע
6 Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
יגורו יצפינו (יצפונו)--המה עקבי ישמרו כאשר קוו נפשי
7 Amin’ izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin’ ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.
על-און פלט-למו באף עמים הורד אלהים
8 Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny?
נדי ספרתה-אתה שימה דמעתי בנאדך הלא בספרתך
9 Amin’ izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
אז ישובו אויבי אחור ביום אקרא זה-ידעתי כי-אלהים לי
10 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
באלהים אהלל דבר ביהוה אהלל דבר
11 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny olona amiko?
באלהים בטחתי לא אירא מה-יעשה אדם לי
12 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
עלי אלהים נדריך אשלם תודת לך
13 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahazavan’ ny velona.
כי הצלת נפשי ממות-- הלא רגלי מדחי להתהלך לפני אלהים-- באור החיים

< Salamo 56 >