< Salamo 56 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon’ i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
Don mai bi da kaɗe-kaɗe. Da murya “Kurciya a Itatuwan Oak Mai Nisa.” Ta Dawuda. Wani miktam. Sa’ad da Filistiyawa suka kama shi a birnin Gat. Ka yi mini jinƙai, ya Allah, gama mutane sun tasar mini da zafi; dukan yini suna matsa harinsu.
2 Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.
Masu ɓata sunana suna bina dukan yini; da yawa suna kai mini hari cikin fariyarsu.
3 Amin’ ny andro atahorako no itokiako Anao.
Sa’ad da nake tsoro, zan dogara gare ka.
4 Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko?
Ga Allah wanda maganarsa nake yabo ga Allah na dogara; ba zan ji tsoro ba. Me mutum mai mutuwa zai yi mini?
5 Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.
Dukan yini sun yi ta juya maganata; kullum suna ƙulle-ƙulle su cuce ni.
6 Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
Sun haɗa baki, sun ɓoye, suna kallon takawata suna a shirye su ɗauki raina.
7 Amin’ izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin’ ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.
Sam, kada ka bari su kuɓuce; cikin fushinka, ya Allah, ka saukar da al’ummai.
8 Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny?
Ka lissafta makokina; ka jera hawayena a littafinka, ba a rubuce suke a cikin littafinka ba?
9 Amin’ izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
Ta haka abokan gābana za su juya da baya sa’ad da na nemi taimako. Ta haka zan san cewa Allah yana tare da ni.
10 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
Ga Allah, wanda nake yabon maganarsa, ga Ubangiji, wanda nake yabon maganarsa,
11 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny olona amiko?
ga Allah na dogara; ba zan ji tsoro ba. Me mutum zai iya yi mini?
12 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
Ina ƙarƙashin alkawari gare ka, ya Allah; zan miƙa hadayuna na godiya gare ka.
13 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahazavan’ ny velona.
Gama ka cece ni daga mutuwa da kuma ƙafafun daga tuntuɓe, don in yi tafiya a gaban Allah cikin hasken rai.

< Salamo 56 >