< Salamo 55 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Maskila nataon’ i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin’ ny fitarainako.
Kwa mwimbishaji. Na ala za uimbaji. Utenzi wa Daudi. Ee Mungu, sikiliza maombi yangu, wala usidharau hoja yangu.
2 Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
Nisikie na unijibu. Mawazo yangu yananisumbua na nimehangaishwa
3 Noho ny feon’ ny fahavalo sy ny fampahorian’ ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin’ ny fahatezerana no ankahalany ahy.
kwa sauti ya adui, kwa kukaziwa macho na waovu, kwa sababu wananiletea mateso juu yangu na kunitukana kwa hasira zao.
4 Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
Moyo wangu umejaa uchungu, hofu ya kifo imenishambulia.
5 Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
Woga na kutetemeka vimenizunguka, hofu kuu imenigharikisha.
6 Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
Nilisema, “Laiti ningekuwa na mbawa za njiwa! Ningeruka niende mbali kupumzika.
7 Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra. (Sela)
Ningalitorokea mbali sana na kukaa jangwani,
8 Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon’ ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
ningaliharakisha kwenda mahali pa salama, mbali na tufani kali na dhoruba.”
9 Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
Ee Bwana, uwatahayarishe waovu na uwachanganyishie semi zao, maana nimeona jeuri na ugomvi mjini.
10 Hodidininy andro aman’ alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
Usiku na mchana wanazunguka juu ya kuta zake, uovu na dhuluma vimo ndani yake.
11 Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin’ ny lalàmbeny.
Nguvu za uharibifu zinatenda kazi mjini, vitisho na uongo haviondoki mitaani mwake.
12 Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy, ― fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
Kama aliyenitukana ni adui yangu, ningevumilia, kama mtu mwovu angejiinua dhidi yangu, ningejificha asinione.
13 Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
Kumbe ni wewe, mwenzangu, mshiriki na rafiki yangu wa karibu,
14 Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ ny maro ho ao an-tranon’ Andriamanitra.
ambaye awali tulifurahia ushirika mzuri, tulipokuwa tukienda na umati hekaluni mwa Mungu.
15 Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin’ ny fonenany, dia ao afovoany. (Sheol h7585)
Kifo na kiwajie adui zangu ghafula, na washuke kuzimu wangali hai, kwa maana uovu upo ndani yao. (Sheol h7585)
16 Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.
Lakini ninamwita Mungu, naye Bwana huniokoa.
17 Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
Jioni, asubuhi na adhuhuri ninalia kwa huzuni, naye husikia sauti yangu.
18 Ka hanavotra ny fanahiko ho amin’ ny fiadanana hahafahako amin’ ny adin’ ireny amiko, fa maro no miady amiko.
Huniokoa nikawa salama katika vita vilivyopangwa dhidi yangu, ingawa watu wengi hunipinga.
19 Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin’ ny taloha, (Sela) ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an’ Andriamanitra.
Mungu anayemiliki milele, atawasikia na kuwaadhibu, watu ambao hawabadilishi njia zao, wala hawana hofu ya Mungu.
20 Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
Mwenzangu hushambulia rafiki zake, naye huvunja agano lake.
21 Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
Mazungumzo yake ni laini kama siagi, hata hivyo vita vimo moyoni mwake. Maneno yake ni mororo kuliko mafuta, hata hivyo ni upanga mkali uliofutwa.
22 Apetraho amin’ i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Mtwike Bwana fadhaa zako, naye atakutegemeza, hatamwacha kamwe mwenye haki wake aanguke.
23 Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.
Lakini wewe, Ee Mungu, utawashusha waovu katika shimo la uharibifu. Wenye kiu ya kumwaga damu na wenye hila, hawataishi nusu ya siku zao. Lakini mimi ninakutumaini wewe.

< Salamo 55 >