< Salamo 54 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Maskila nataon’ i Davida, fony tonga ny Zifita ka nanao tamin’ i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida? Vonjeo amin’ ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.
O! Dios, sálvame en tu nombre, y con tu valentía me defiende.
2 Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin’ ny vavako.
O! Dios, oye mi oración, escucha las razones de mi boca.
3 Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an’ Andriamanitra ho eo anatrehany izy. (Sela)
Porque extraños se han levantado contra mí, y fuertes han buscado a mi alma: no han puesto a Dios delante de si. (Selah)
4 Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.
He aquí, Dios es el que me ayuda; el Señor es con los que sustentan mi vida.
5 Hamaly ny ratsy ataon’ ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.
El volverá el mal a mis enemigos; córtalos por tu verdad.
6 Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.
Voluntariamente sacrificaré a ti; alabaré tu nombre, o! Jehová, porque es bueno.
7 Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin’ ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin’ ny fahavaloko.
Porque me ha escapado de toda angustia, y en mis enemigos vieron mis ojos la venganza.

< Salamo 54 >