< Salamo 54 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Maskila nataon’ i Davida, fony tonga ny Zifita ka nanao tamin’ i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida? Vonjeo amin’ ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.
Thaburi ya Daudi Wee Ngai, honokia nĩ ũndũ wa rĩĩtwa rĩaku; ndĩhĩria na hinya waku.
2 Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin’ ny vavako.
Wee Ngai, igua ihooya rĩakwa; thikĩrĩria ciugo cia kanua gakwa.
3 Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an’ Andriamanitra ho eo anatrehany izy. (Sela)
Andũ ageni nĩmanjũkĩrĩire; nao andũ matarĩ tha nĩmaracaria muoyo wakwa, o andũ acio matarũmbũyagia Ngai.
4 Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.
Ti-itherũ Ngai nĩwe ũteithio wakwa; Mwathani nĩwe ũndiiragĩrĩra.
5 Hamaly ny ratsy ataon’ ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.
Cookereria andũ arĩa manjambagia ũũru wao; Wee maniine nĩ ũndũ wa wĩhokeku waku.
6 Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.
Nĩngũkũrutĩra igongona rĩa kwĩyendera; nĩngũgooca rĩĩtwa rĩaku, Wee Jehova, tondũ nĩ rĩega.
7 Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin’ ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin’ ny fahavaloko.
Nĩgũkorwo nĩahonoketie mathĩĩna-inĩ makwa mothe, na maitho makwa nĩmeyoneire gũtoorio gwa thũ ciakwa.

< Salamo 54 >