< Salamo 50 >

1 Salamo nataon i Asafa.
Псалом Асафа. Бог Богов, Господь возглаголал и призывает землю, от восхода солнца до запада.
2 Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan’ Andriamanitra.
С Сиона, который есть верх красоты, является Бог,
3 Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.
грядет Бог наш, и не в безмолвии: пред Ним огонь поядающий, и вокруг Его сильная буря.
4 Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony:
Он призывает свыше небо и землю, судить народ Свой:
5 Angony etỳ amiko ny oloko masìna izay manao fanekena amiko amin’ ny fanatitra.
“соберите ко Мне святых Моих, вступивших в завет со Мною при жертве”.
6 Hasehon’ ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara. (Sela)
И небеса провозгласят правду Его, ибо судия сей есть Бог.
7 Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.
“Слушай, народ Мой, Я буду говорить; Израиль! Я буду свидетельствовать против тебя: Я Бог, твой Бог.
8 Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.
Не за жертвы твои Я буду укорять тебя; всесожжения твои всегда предо Мною;
9 Tsy maka vantotr’ ombilahy amin’ ny tranonao Aho, na osilahy amin’ ny valanao;
не приму тельца из дома твоего, ни козлов из дворов твоих,
10 Fa Ahy ny biby rehetra any an’ ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.
ибо Мои все звери в лесу, и скот на тысяче гор,
11 Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.
знаю всех птиц на горах, и животные на полях предо Мною.
12 Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.
Если бы Я взалкал, то не сказал бы тебе, ибо Моя вселенная и все, что наполняет ее.
13 Hihinana ny nofon’ ombilahy va Aho, na hisotro ny ran’ osilahy?
Ем ли Я мясо волов и пью ли кровь козлов?
14 Manatera fanati-pisaorana ho an’ Andriamanitra; ary efao amin’ ny Avo Indrindra ny voadinao;
Принеси в жертву Богу хвалу и воздай Всевышнему обеты твои,
15 Antsoy Aho amin’ ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
и призови Меня в день скорби; Я избавлю тебя, и ты прославишь Меня”.
16 Fa amin’ ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?
Грешнику же говорит Бог: “что ты проповедуешь уставы Мои и берешь завет Мой в уста твои,
17 Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko.
а сам ненавидишь наставление Мое и слова Мои бросаешь за себя?
18 Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin’ ny mpijangajanga.
когда видишь вора, сходишься с ним, и с прелюбодеями сообщаешься;
19 Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka.
уста твои открываешь на злословие, и язык твой сплетает коварство;
20 Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao.
сидишь и говоришь на брата твоего, на сына матери твоей клевещешь;
21 Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.
ты это делал, и Я молчал; ты подумал, что Я такой же, как ты. Изобличу тебя и представлю пред глаза твои грехи твои.
22 Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an’ Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy.
Уразумейте это, забывающие Бога, дабы Я не восхитил, - и не будет избавляющего.
23 Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen’ Andriamanitra.
Кто приносит в жертву хвалу, тот чтит Меня, и кто наблюдает за путем своим, тому явлю Я спасение Божие”.

< Salamo 50 >