< Salamo 46 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ ny fahoriana Izy.
Kwa mwimbishaji. Zaburi ya wana wa Kora. Mtindo wa alamothi. Mungu kwetu sisi ni kimbilio na nguvu, msaada utakaoonekana tele wakati wa mateso.
2 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
Kwa hiyo hatutaogopa, hata kama dunia ikiondolewa nayo milima ikiangukia moyoni mwa bahari.
3 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. (Sela)
Hata kama maji yake yatanguruma na kuumuka, milima nayo ikitetemeka kwa mawimbi yake.
4 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’ Andriamanitra, Fonena-masin’ ny Avo Indrindra.
Kuna mto ambao vijito vyake vinaufurahisha mji wa Mungu, mahali patakatifu ambako Aliye Juu Sana anaishi.
5 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.
Mungu yuko katikati yake, hautaanguka, Mungu atausaidia asubuhi na mapema.
6 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.
Mataifa yanafanya ghasia, falme zinaanguka, Yeye huinua sauti yake, dunia ikayeyuka.
7 Jehovah, Tompon’ ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’ i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. (Sela)
Bwana Mwenye Nguvu Zote yu pamoja nasi, Mungu wa Yakobo ni ngome yetu.
8 Avia, jereo ny asan’ i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;
Njooni mkaone kazi za Bwana jinsi alivyofanya ukiwa katika nchi.
9 Mampitsahatra ady hatramin’ ny faran’ ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin’ ny afo.
Anakomesha vita hata miisho ya dunia, anakata upinde na kuvunjavunja mkuki, anateketeza ngao kwa moto.
10 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin’ ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ ny tany Aho.
“Tulieni, mjue ya kwamba mimi ndimi Mungu; nitatukuzwa katikati ya mataifa, nitatukuzwa katika dunia.”
11 Jehovah, Tompon’ ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’ i Jakoba no aro ho antsika. (Sela)
Bwana Mwenye Nguvu Zote yu pamoja nasi; Mungu wa Yakobo ni ngome yetu.

< Salamo 46 >