< Salamo 46 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ ny fahoriana Izy.
in finem pro filiis Core pro arcanis psalmus Deus noster refugium et virtus adiutor in tribulationibus quae invenerunt nos nimis
2 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
propterea non timebimus dum turbabitur terra et transferentur montes in cor maris
3 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. (Sela)
sonaverunt et turbatae sunt aquae eorum conturbati sunt montes in fortitudine eius diapsalma
4 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’ Andriamanitra, Fonena-masin’ ny Avo Indrindra.
fluminis impetus laetificat civitatem Dei sanctificavit tabernaculum suum Altissimus
5 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.
Deus in medio eius non commovebitur adiuvabit eam Deus mane diluculo
6 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.
conturbatae sunt gentes inclinata sunt regna dedit vocem suam mota est terra
7 Jehovah, Tompon’ ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’ i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. (Sela)
Dominus virtutum nobiscum susceptor noster Deus Iacob diapsalma
8 Avia, jereo ny asan’ i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;
venite et videte opera Domini quae posuit prodigia super terram
9 Mampitsahatra ady hatramin’ ny faran’ ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin’ ny afo.
auferens bella usque ad finem terrae arcum conteret et confringet arma et scuta conburet in igne
10 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin’ ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ ny tany Aho.
vacate et videte quoniam ego sum Deus exaltabor in gentibus exaltabor in terra
11 Jehovah, Tompon’ ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’ i Jakoba no aro ho antsika. (Sela)
Dominus virtutum nobiscum susceptor noster Deus Iacob

< Salamo 46 >