< Salamo 45 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon’ ny Koraïta. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana. Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan’ ny faingan-tsoratra ny lelako.
Moyo wangu unafurika kwa neno zuri; nitasoma kwa sauti maneno niliyo yaandika kuhusu mfalme; ulimi wangu ni kalamu ya mwandishi mwenye ustadi.
2 Tsara tarehy noho ny zanak’ olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin’ ny molotrao; izany no nitahian’ Andriamanitra anao mandrakizay.
Wewe u mzuri sana kuliko mwanadamu yeyote; neema imemiminwa midomoni mwako; Kwa hiyo tunajua ya kuwa Mungu amekubariki milele.
3 Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao.
Weka upanga wako upande wako, wewe uliye mwenye nguvu, katika utukufu wako na enzi yako.
4 Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin’ ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.
Katika enzi yako enenda katika ushindi kwa sababu ya uaminifu, upole, na haki; mkono wako wa kuume utakufundisha mambo ya kutisha.
5 Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra ― Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao ― ka mitsatoka ao am-pon’ ny fahavalon’ ny mpanjaka.
Mishale yako ni mkali; watu huanguka chini yako; mishale yako imo ndani ya mioyo ya adui za mfalme.
6 Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.
Kiti chako cha enzi, Mungu ni cha milele na milele; na fimbo ya haki ni fimbo ya utawala wako.
7 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.
Umeipenda haki na kuchukia uovu; kwa hiyo Mungu, Mungu wako, amekupaka mafuta ya furaha kuliko wenzako.
8 Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin’ ny lapa ivory no mampifaly anao.
Mavazi yako yote hunukia manemane, udi, na mdalasini; kukoka katika majumba ya pembe vyombo vya muziki wa nyuzi vimekufurahisha.
9 Zanakavavin’ andriamanjaka no isan’ ny malalanao; eo ankavananao no itoeran’ ny vadin’ ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.
Binti za wafalme ni kati ya wake zako waheshimiwa; na mkono wako wa kuume amesimama malikia aliye vaa mavazi ya dhahabu ya Ofiri.
10 Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
Sikiliza, mwanangu, tafakari na utege sikio lako; uwasahahu watu wako na watu wa nyumba ya baba yako.
11 Raha irin’ ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao ― fa izy no tomponao ― dia miankohofa eo anatrehany.
Hivyo mfalme atautamani uzuri wako; yeye ni Bwana wako; umstahi.
12 Ary ny zanakavavin’ i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin’ ny vahoaka hila sitraka aminao.
Binti wa Tiro atakuwepo akiwa na zawadi; matajiri kati wa watu watajipendekeza kwako.
13 Be voninahitra ny zanakavavin’ ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.
Binti mfalme katika jumba la kifahari ana utukufu wote; mavazi yake yametengenezwa kwa dhahabu.
14 Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin’ ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao.
Naye ataongozwa kwa mfalme akiwa katika mavazi ya dhahabu; mabikra, wenzake wanoumfuata, wataletwa kwako mafalme.
15 Entina amin’ ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan’ ny mpanjaka izy.
Wao wataongozwa kwa furaha na shangwe; wataingia mahali pa mfalme.
16 Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin’ ny tany rehetra izy.
Katika mahali pa baba zako watoto wako watakuwepo, ambao wewe utawafanya kuwa wakuu katika nchi yote.
17 Hampahatsiaro ny anaranao hatramin’ ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran’ ny firenena anao mandrakizay doria.
Nami nitalifanya jina lako kukumbukwa katika uzao wote; kwa hiyo watu watakushukuru milele na milele.