< Salamo 45 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon’ ny Koraïta. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana. Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan’ ny faingan-tsoratra ny lelako.
Тече из срца мог реч добра; рекох: Дело је моје за цара; језик је мој трска хитрог писара.
2 Tsara tarehy noho ny zanak’ olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin’ ny molotrao; izany no nitahian’ Andriamanitra anao mandrakizay.
Ти си најлепши између синова људских, благодат тече из уста твојих, јер те је благословио Бог довека.
3 Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao.
Припаши, јуначе, уз бедро своје мач свој, част своју и красоту своју.
4 Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin’ ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.
И тако окићен похитај, седи на кола за истину и кротку правду, и десница ће твоја показати чудеса.
5 Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra ― Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao ― ka mitsatoka ao am-pon’ ny fahavalon’ ny mpanjaka.
Оштре су стреле твоје; народи ће пасти под власт твоју; прострелиће срца непријатеља царевих.
6 Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.
Престо је Твој, Боже, вечан и непоколебљив; скиптар је царства Твог скиптар правице.
7 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.
Љубиш правду и мрзиш на безакоње; тога ради помаза те, Боже, Бог Твој уљем радости више него другове Твоје.
8 Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin’ ny lapa ivory no mampifaly anao.
Све хаљине твоје миришу смирном, алојом и касијом. Који живе у дворима од минијске слонове кости, они те веселе.
9 Zanakavavin’ andriamanjaka no isan’ ny malalanao; eo ankavananao no itoeran’ ny vadin’ ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.
Царске кћери дворе те; с десне ти стране стоји царица у офирском злату.
10 Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
Чуј, кћери, погледај и обрати к мени ухо своје, заборави народ свој и дом оца свог.
11 Raha irin’ ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao ― fa izy no tomponao ― dia miankohofa eo anatrehany.
И цару ће омилети лепота твоја; јер је Он Господ твој, и Њему се поклони.
12 Ary ny zanakavavin’ i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin’ ny vahoaka hila sitraka aminao.
Кћи Тирова доћи ће с даровима, најбогатији у народу тебе ће молити.
13 Be voninahitra ny zanakavavin’ ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.
Сва је украшена кћи царева изнутра, хаљина јој је златом искићена.
14 Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin’ ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao.
У везеној хаљини воде је к цару; за њом воде к теби девојке, друге њене.
15 Entina amin’ ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan’ ny mpanjaka izy.
Воде их весело и радосно, улазе у двор царев.
16 Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin’ ny tany rehetra izy.
Место отаца твојих биће синови твоји, поставићеш их кнезовима по свој земљи.
17 Hampahatsiaro ny anaranao hatramin’ ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran’ ny firenena anao mandrakizay doria.
Учинићу да се не заборавља име твоје од колена на колено; потом ће те славити народи ва век века.