< Salamo 44 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin’ ny androny, dia tamin’ ny andro fahiny.
Nzembo ya bana ya Kore. Wuta na buku ya mokambi ya bayembi. Nzambe, toyokaki na matoyi na biso; bakoko na biso babetelaki biso lisolo ya makambo oyo osalaki na tango na bango, na tango ya kala.
2 Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany.
Na nguya na Yo, obenganaki bikolo mpe otiaki bakoko na biso; obetaki bikolo ya bapaya mpe ofulukisaki bakoko na biso.
3 Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan’ ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
Pamba te ezalaki na mopanga na bango te nde babotolaki mokili, ezalaki mpe maboko na bango te nde ebikisaki bango; kasi ezalaki nde loboko na Yo ya mobali, nguya na Yo mpe pole ya elongi na Yo, pamba te ozalaki kolinga bango.
4 Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an’ i Jakoba.
Oh Nzambe, Yo oyo ozali Mokonzi na ngai, pesa mitindo mpo na elonga ya Jakobi.
5 Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay.
Na lisungi na Yo, tolongaka banguna na biso, mpe na Kombo na Yo, tonyataka bayini na biso.
6 Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy.
Pamba te natiaka elikya te na tolotolo na ngai, mpe mopanga na ngai ebikisaka ngai te.
7 Fa namonjy anay tamin’ ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra.
Kasi ezali Yo nde obikisaka biso wuta na maboko ya bayini na biso, mpe oyokisaka bayini na biso soni.
8 Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay. (Sela)
Tomikumisaka mikolo nyonso kati na Nzambe mpe tokokumisa Kombo na Yo mpo na libela.
9 Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin’ ny antokon’ ny miaramilanay Hianao.
Kasi obwaki biso, oyokisi biso soni mpe ozali lisusu kotambola te elongo na mampinga na biso.
10 Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo.
Otiki biso kokima liboso ya banguna na biso; mpe bayini na biso bazwi biloko na biso na makasi.
11 Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin’ ny firenen-tsamy hafa.
Osundoli biso na maboko na bango lokola bameme ya koboma mpe opanzi biso kati na bikolo.
12 Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin’ ny vidiny.
Oteki bato na Yo na pamba mpe ozwi ata litomba te kowuta na boteki yango.
13 Ataonao fandatsan’ ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson’ izay manodidina anay.
Okomisi biso eloko ya lisuma na miso ya bato oyo bazali pembeni na biso, eloko ya litio mpe ya liseki na miso ya bato oyo bazali zingazinga na biso.
14 Ataonao ho ambentinteny amin’ ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin’ ny olona maro.
Okomisi biso lisapo kati na bikolo, mpe bato bakomi koningisa mito na bango mpo na biso.
15 Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako,
Kosambwa ekomi tango nyonso liboso na ngai mpe soni ezipi elongi na ngai,
16 Noho ny feon’ ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy.
mpo na litio ya bato oyo bazali kofinga mpe kopamela ngai, mpe ya monguna oyo akangela ngai kanda.
17 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao.
Makambo wana nyonso ekweyeli biso atako tobosanaki Yo te mpe tobebisaki Boyokani na Yo te,
18 Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin’ ny lalanao ny dianay.
atako mitema na biso epengwaki te mpe totamboli libanda ya nzela na Yo te.
19 Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin’ ny fitoeran’ ny amboadia sy nanarona anay tamin’ ny aloky ny fahafatesana.
Pamba te onyokolaki biso kati na etando ya bambwa ya zamba mpe ozipaki biso na molili makasi.
20 Raha nanadino ny anaran’ Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin’ ny andriamani-kafa,
Soki tobosanaki Kombo ya Nzambe na biso to totombolaki maboko na biso epai ya nzambe ya mopaya,
21 Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po.
boni, Nzambe na biso alingaki koyeba yango te, lokola asosolaka mozindo ya mitema?
22 Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
Pamba te, likolo na Yo, babomaka biso mikolo nyonso mpe bazwaka biso lokola bameme ya koboma.
23 Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay.
Nkolo, lamuka! Mpo na nini ozali kolala? Lamuka, kobwaka biso te mpo na libela.
24 Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay?
Yawe, mpo na nini ozali kobomba elongi na Yo? Mpo na nini ozali kobosana pasi mpe minyoko na biso?
25 Fa miankohoka amin’ ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin’ ny tany ny kibonay.
Pamba te tokweyi na putulu, mpe nzoto na biso ekangami na mabele.
26 Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.
Telema, yaka kosunga biso, kangola biso mpo na bolingo na Yo!

< Salamo 44 >