< Salamo 41 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ ny andro fahoriana.
Kwa mtsogoleri wa mayimbidwe. Salimo la Davide. Wodala ndi munthu amene amaganizira anthu osauka; Yehova amamuwombola pa nthawi yamsautso.
2 Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin’ ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin’ ny sitrapon’ ny fahavalony.
Yehova adzamuteteza ndi kusunga moyo wake; Yehova adzamudalitsa iye mʼdziko ndipo sadzamupereka ku zofuna za adani ake.
3 Jehovah hanohana azy eo ambonin’ ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.
Yehova adzamuthandiza pamene akudwala ndipo adzamuchiritsa pa bedi lake la matenda.
4 Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.
Ndinati, “Inu Yehova, mundichitire chifundo; chiritseni pakuti ndakuchimwirani.”
5 Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?
Adani anga mwankhwidzi amanena za ine kuti, “Kodi munthu ameneyu adzafa liti kuti ayiwalike?”
6 Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an’ ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.
Pamene wina abwera kudzandiona, amayankhula mwachinyengo, pomwe mtima wake ukusonkhanitsa zachipongwe; kenaka iye amatuluka ndi kukalengeza kunja.
7 Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.
Adani anga onse amanongʼonezana pamodzi kulimbana nane, iwo amalingalira zoyipa kwambiri za ine, ponena kuti,
8 Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.
“Matenda owopsa amugwira; sadzaukapo pamalo pamene wagona.”
9 Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.
Ngakhale bwenzi langa la pamtima amene ndinamudalira, iye amene amadya pamodzi ndi ine watukula chidendene chake kulimbana nane.
10 Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.
Koma Yehova mundichititre chifundo, dzutseni kuti ndiwabwezere.
11 Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran’ ny fahavaloko ahy.
Ine ndikudziwa kuti mukukondwera nane, pakuti mdani wanga sandigonjetsa.
12 Ary ny amiko, dia manohana ahy amin’ ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.
Mu ungwiro wanga Inu mumandisunga ndi kundiyimika pamaso panu kwamuyaya.
13 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.
Atamandike Yehova Mulungu wa Israeli kuchokera muyaya mpaka muyaya. Ameni ndi Ameni.