< Salamo 40 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Niandry dia niandry an’ i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.
伶長にうたはしめたるダビデのうた 我たへしのびてヱホバを俟望みたり ヱホバ我にむかひてわが號呼をききたまへり
2 Dia nampakatra ahy avy tao amin’ ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin’ ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
また我をほろびの阱より泥のなかよりとりいだしてわが足を磐のうへにおきわが歩をかたくしたまへり
3 Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an’ Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an’ i Jehovah.
ヱホバはあたらしき歌をわが口にいれたまへり此はわれらの神にささぐる讃美なり 多くの人はこれを見ておそれ かつヱホバによりたのまん
4 Sambatra izay olona manao an’ i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman’ ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin’ ny lainga.
ヱホバをおのが頼となし高るものによらず虚偽にかたぶく者によらざる人はさいはひなり
5 Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.
わが神ヱホバよなんぢの作たまへる奇しき迹と われらにむかふ念とは甚おほくして汝のみまへにつらねいふことあたはず 我これをいひのべんとすれどその數かぞふることあたはず
6 Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao;
なんぢ犠牲と祭物とをよろこびたまはず汝わが耳をひらきたたまへり なんぢ燔祭と罪祭とをもとめたまはず
7 Dia hoy izaho: inty aho tonga ao amin’ ny horonam-boky no nanoratana ahy.
そのとき我いへらく 観よわれきたらんわがことを書の巻にしるしたり
8 Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko.
わが神よわれは聖意にしたがふことを樂む なんぢの法はわが心のうちにありと
9 Efa nilaza teny mahafaly ny amin’ ny fahamarinana teo amin’ ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala.
われ大なる會にて義をつげしめせり 視よわれ口唇をとぢず ヱホバよなんぢ之をしりたまふ
10 Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin’ ny fiangonana lehibe aho.
われなんぢの義をわが心のうちにひめおかず なんぢの眞理となんぢの拯救とをのべつたへたり 我なんぢの仁慈となんぢの眞理とをおほいなる會にかくさざりき
11 Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.
ヱホバよなんぢ憐憫をわれにをしみたまふなかれ 仁慈と眞理とをもて恒にわれをまもりたまへ
12 Fa nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.
そはかぞへがたき禍害われをかこみ わが不義われに追及てあふぎみること能はぬまでになりぬ その多きことわが首の髪にもまさり わが心きえうするばかりなればなり
13 Aoka ho sitraky ny fonao, Jehovah ô, ny hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
ヱホバよ願くはわれをすくひたまヘ ヱホバよ急ぎきたりて我をたすけたまへ
14 Aoka ho indray menatra sy mangaihay izay mitady hanimba ny aiko; aoka hiamboho sy ho menatra izay mankasitraka ahy ho ory.
願くはわが霊魂をたづねほろぼさんとするものの皆はぢあわてんことを わが害はるるをよろこぶもののみな後にしりぞきて恥をおはんことを
15 Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireny manao amiko hoe: Hià! sakoa izay!
われにむかひてああ視よや視よやといふ者おのが恥によりておどろきおそれんことを
16 Aoka ho faly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; aoka izay rehetra tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah.
願くはなんぢを尋求むるものの皆なんぢによりて樂みよろこばんことを なんぢの救をしたふものの恒にヱホバは大なるかなととなへんことを
17 Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Andriamanitro ô.
われはくるしみ且ともし 主われをねんごろに念ひたまふ なんぢはわが助なり われをすくひたまふ者なり ああわが神よねがはくはためらひたまふなかれ

< Salamo 40 >