< Salamo 4 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo nataon’ i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.
KOT kapun pa i, kom kotin mani ia ni ai likelikwir. Pwe kom kin kotin kamait ia la ni ai anjau apwal. Kom kotin maki on ia o mani ai kapakap.
2 Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? (Sela)
Komail jaumaj akan! Arai da mar ai pan jujued? Arai da omail pok on me mal kot, o omail perenki likam? (Jela)
3 Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’ i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.
Komail lolekonala, ap aja, me Ieowa kotin piladar japwilim a lelapok o. Ieowa kin kotin mani ia ni ai likelikwir on i.
4 Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna. (Sela)
Ni omail makar, komail der wia dip. Komail madamadauaki monion omail ni omail wendi pon loj o ap auiaui. (Jela)
5 Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an’ i Jehovah.
Komail maironki mairon pun o liki Ieowa.
6 Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan’ ny tavanao, Jehovah ô.
Me toto kin inda: Ij me pan kajale on kitail me mau kan? A Ieowa, kom kotin kamaraine kin kit marain en jilan omui!
7 Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin’ ny taona nahabetsahan’ ny variny sy ny ranom-boalobony.
Komui kotin kaperenda monion i laud jan anjaun arail wain o korn me toto.
8 Handry amin’ ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’ izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
I kin wonon o mamair ni popol; pwe komui ta Main, me kotin jauaj a ia da, pwe i en kak moleilei.

< Salamo 4 >