< Salamo 39 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Ho an’ i Jedotona Salamo nataon’ i Davida. Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin’ ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.
Au chef des chantres, à Iedouthoun. Psaume de David. J’Ai dit: "Je veillerai à ma conduite, pour ne pas pécher avec ma langue; j’aurai soin de mettre un frein à ma bouche, tant que le méchant sera en face de moi."
2 Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza, dia nihetsika mafy ny fanaintainan’ ny aretiko.
Je me suis renfermé dans un mutisme complet, j’ai gardé le silence, en l’absence du bonheur, alors que ma douleur était pleine de trouble.
3 Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin’ ny lelako aho.
Mon cœur était brûlant en moi en méditant, je sentais comme un feu ardent; sur mes lèvres se trouvaient ces paroles:
4 Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
"Fais-moi connaître, Eternel, ma fin, et quelle est la mesure de mes jours: que je sache combien je suis peu de chose.
5 Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza. (Sela)
Voici, tu as strictement limité mes jours, ma vie terrestre est comme un rien devant toi; oui, tout homme placé sur terre n’est qu’un souffle. (Sélah)
6 Aloka tokoa no fandehandehan’ ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’ izany.
Oui, les mortels s’avancent comme une ombre! Oui, ils s’agitent dans le vide, amassant des biens sans savoir qui les recueillera."
7 Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.
Et maintenant quel est mon espoir, Seigneur? Mon attente se tourne vers toi.
8 Manafaha ahy amin’ ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran’ ny adala.
Délivre-moi de tous mes péchés, ne m’expose pas aux outrages des gens de rien.
9 Mangìna aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.
Je reste muet, je n’ouvre pas la bouche, car c’est toi qui as tout fait.
10 Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon’ ny famelin’ ny tananao.
Détourne de moi tes coups, je succombe sous l’atteinte de ta main.
11 Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra. (Sela)
Par les sanctions qu’entraîne l’iniquité, tu châties l’homme; comme fait la teigne, tu consumes ce qu’il a de précieux; oui, l’homme tout entier n’est qu’un souffle! (Sélah)
12 Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô, ary mihainoa ny fitarainako; aza mangìna amin’ ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
Ecoute ma prière, Eternel, prête l’oreille à mes cris, ne reste pas silencieux devant mes larmes: car je suis un étranger en ta présence, un simple passager comme tous mes ancêtres.
13 Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.
Donne-moi un peu de répit, pour que je puisse respirer, avant que je m’en aille et que c’en soit fait de moi.

< Salamo 39 >