< Salamo 38 >

1 Salamo nataon’ i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
Nzembo ya Davidi mpo na kokanisa. Yawe, kopamela ngai te kati na kanda na Yo to kopesa ngai etumbu te kati na kanda makasi na Yo.
2 Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao,
Pamba te makonga na Yo etoboli ngai, mpe loboko na Yo ebeti ngai.
3 Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
Mpo na kanda na Yo, nzoto na ngai ebeli; mpo na masumu na ngai, mikuwa na ngai elembi.
4 Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.
Mabe na ngai eleki moto na ngai, ezali kilo makasi epai na ngai lokola mokumba ya kilo makasi.
5 Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.
Bapota na ngai epoli mpe ekomi kolumba solo mpo na bozoba na ngai.
6 Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.
Nagumbami, nalembi makasi; nakomi moto ya mawa mpo na libela.
7 Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.
Pamba te nazali koyoka pasi makasi na mokongo na ngai, eteni ata moko te ya nzoto na ngai ezali malamu.
8 Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ ny foko.
Nalembi, makasi na ngai nyonso esili; mobulu ekoti na motema na ngai, nakomi koganga na kolemba te.
9 Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
Nkolo, oyebi posa na ngai nyonso; kolela na ngai ezali ya kobombama te na miso na Yo.
10 Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ ny masoko aza efa nandao ahy.
Motema na ngai ezangi kimia, makasi na ngai ekomi kosila, nabungisi ata pole ya miso na ngai.
11 Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.
Bato oyo balingaka ngai mpe baninga na ngai bakimi pasi na ngai, ba-oyo bazalaka na ngai esika moko batelemi mosika na ngai.
12 Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana, sy misaim-pitaka mandrakariva.
Bato oyo balukaka kufa na ngai bazali kotia mitambo, ba-oyo balukaka pasi na ngai bazali koloba mpo na kosala ngai mabe, bakomi mikolo nyonso kobongisa lokuta.
13 Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;
Kasi ngai nazali kosala lokola mokufi matoyi; mpe lokola baba, nakangi monoko, naboyi koloba.
14 Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.
Nakomi lokola mokufi matoyi oyo akoki kopesa eyano ata moko te na monoko na ye.
15 Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.
Yawe, natiaka elikya na ngai kati na Yo; oh Nkolo, Nzambe na ngai, solo, okoyanola.
16 Fa hoy izaho: sao dia hifalian’ izy ireo anie aho; ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.
Nalobaki: « Kopesa nzela te ete basepela na tina na ngai to bamitombola likolo na ngai soki nabeti libaku. »
17 Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.
Pamba te nakomi pene ya kokweya, pasi na ngai ezali kaka elongo na ngai tango nyonso.
18 Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako.
Solo nandimi mabe na ngai, masumu na ngai ezali kotungisa molimo na ngai.
19 Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;
Banguna na ngai bazali makasi mpe bingambe, bato oyo bayinaka ngai kaka pamba bazali ebele.
20 Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ ny fanarahako ny tsara.
Bato oyo bazongisaka mabe na bolamu bazali kofunda ngai atako nalukaka kosala bolamu.
21 Aza mahafoy ahy, Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.
Yawe, kosundola ngai te; Nzambe na ngai, kozala mpe mosika na ngai te.
22 Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.
Nkolo, Mobikisi na ngai, yaka noki kosunga ngai.

< Salamo 38 >