< Salamo 36 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra ao aminy.
Dhambi hunena kama unabii katika moyo wa mwovu; machoni mwake hamna hofu ya Mungu.
2 Fa miarahaba tena izy ny amin’ ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
Kwa maana yeye hujifariji mwenyewe, akifikiria kuwa dhambi zake hazitagundulika na kuchukiwa.
3 Ny tenin’ ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
Maneno yake ni yenye dhambi na udanganyifu; hataki kuwa mwenye hekima na kutenda mema.
4 Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
Alalapo kitandani, hupanga namna ya kutenda dhambi; yeye hukaa nje kwenye nja ya uovu; yeye hakatai uovu.
5 Jehovah ô, mipaka amin’ ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
Uaminifu wa agano lako, Yahwe, unafika mbinguni; uaminifu wako unafika mawinguni.
6 Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,
Haki yako ni kama milima ya Mungu; hukumu yako ni kama kina kirefu. Yahwe, wewe huwahifadhi wote wanadamu na wanyama.
7 Endrey ny hatsaran’ ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ ny aloky ny elatrao ny zanak’ olombelona.
Ni jinsi gani uaminifu wa aganao lako ni wa thamani, Mungu! Watu hukimbilia usalama chini ya uvuli wa mbawa zako.
8 Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
Nao watatoshelezwa tele na utajiri wa chakula nyumbani mwako; utawafanya wanywe kutoka katika mto wa baraka zako za thamani.
9 Fa ao aminao no misy loharanon’ aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
Kwa kuwa mna chemichemi ya uzima; na katika mwanga wako tutaiona nuru.
10 Ampahareto amin’ izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ ny mahitsy fo.
Uupanue uaminifu wa agano lako kikamilifu kwa wale wanao kujua wewe, ulinzi wako uwe juu ya wanyoofu wa moyo.
11 Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ ny ratsy fanahy.
Usiuache mguu wa mwenye kiburi unisogelee. Usiiache mkono wa mwovu unitoweshe.
12 Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
Kule wafanyao maovu wameanguka; wameharibiwa hawawezi kuinuka.