< Salamo 36 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra ao aminy.
למנצח לעבד-יהוה לדוד ב נאם-פשע לרשע בקרב לבי אין-פחד אלהים לנגד עיניו
2 Fa miarahaba tena izy ny amin’ ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
כי-החליק אליו בעיניו למצא עונו לשנא
3 Ny tenin’ ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
דברי-פיו און ומרמה חדל להשכיל להיטיב
4 Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
און יחשב--על-משכבו יתיצב על-דרך לא-טוב רע לא ימאס
5 Jehovah ô, mipaka amin’ ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
יהוה בהשמים חסדך אמונתך עד-שחקים
6 Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,
צדקתך כהררי-אל--משפטיך תהום רבה אדם ובהמה תושיע יהוה
7 Endrey ny hatsaran’ ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ ny aloky ny elatrao ny zanak’ olombelona.
מה-יקר חסדך אלהים ובני אדם--בצל כנפיך יחסיון
8 Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
ירוין מדשן ביתך ונחל עדניך תשקם
9 Fa ao aminao no misy loharanon’ aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
כי-עמך מקור חיים באורך נראה-אור
10 Ampahareto amin’ izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ ny mahitsy fo.
משך חסדך לידעיך וצדקתך לישרי-לב
11 Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ ny ratsy fanahy.
אל-תבואני רגל גאוה ויד-רשעים אל-תנדני
12 Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
שם נפלו פעלי און דחו ולא-יכלו קום

< Salamo 36 >