< Salamo 35 >

1 Nataon’ i Davida.
Yahwe, uwashughulikie wale wanao nishughulikia mimi; upigane nao wanao pigana nami.
2 Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.
Uikamate ngao yako ndogo na ngao kubwa; inuka unisaidie.
3 Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin’ ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho.
Uutumie mkuki wako na shoka lako la vita kwa wale wanao nifukuzia; uuambie moyo wangu, “Mimi ni wokovu wako.”
4 Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy.
Waaibishwe na kudharauliwa wale wanaoutafuta uhai wangu. Warudishwe nyuma na wafedheheshwe wanao panga kunidhuru.
5 Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan’ ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin’ i Jehovah handroaka azy.
Wao wawe makapi mbele ya upepo, malaika wakiwafutilia mbali.
6 Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin’ i Jehovah hanenjika azy.
Njia yao na iwe giza na utelezi, malaika wa Yahwe wakiwafukuzia.
7 Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.
Wamenitegea mtego bila sababu; bila sababu wamechimba shimo kwa ajili ya uhai wangu.
8 Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin’ izany fandringanana izany indrindra izy.
Uharibifu na uwapate wao kwa kushitukiza. Mtego ambao wameutega na uwanase wao. Na wadumbukie humo, ili kwamba waangamizwe.
9 Fa ny fanahiko kosa hifaly amin’ i Jehovah sy ho ravoravo amin’ ny famonjeny.
Bali mimi nitakuwa nafuraha ndani ya Yahwe na ndani ya wokovu wake.
10 Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin’ izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin’ izay mamabo azy?
Mifupa yangu yote itasema, “Yahwe, ni nani kama wewe, uokoaye walio onewa mkononi mwa walio na nguvu kuwazidi wao na masikini na wahitaji mkononi mwa wale wanaojaribu kuwaibia?”
11 Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.
Mashahidi wa uongo wamesimama; wananishitakia uongo.
12 Mamaly ratsy ahy ho solon’ ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.
Kwa ajili ya wema wananilipa mabaya. Nina huzuni nyingi.
13 Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin’ ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
Lakini, walipokuwa akiugua, nilivaa magunia; nilifunga kwa ajili yao huku kichwa changu kikiinamia kifuani kwangu.
14 Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin’ alahelo toy ny fisaona reny aho.
Nilienenda katika huzuni kana kwamba walikuwa ni ndugu zangu; niliinama chini nikiomboleza kana kwamba ni kwa ajili ya mama yangu.
15 Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona; olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;
Bali mimi nilipokuwa mashakani, walifurahi sana na kukutanika pamoja; walikutanika pamoja kinyume na mimi, nami nilishangazwa nao. Walinirarua bila kuacha.
16 Naman’ ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.
Kwa dharau kabisa walinidhihaki; walinisagia meno yao.
17 Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao? Avereno ny fanahiko ho afaka amin’ ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin’ ny liona tanora.
Bwana, mpaka lini utaendelea kutazama? uiokoe roho yangu na mashambulizi yao ya maagamizi uyaokoe maisha yangu na simba.
18 Hisaotra Anao eo amin’ ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan’ ny olona maro aho.
Nami nitakushukuru wewe katika kusanyiko kubwa; nitakusifu kati ya watu wengi.
19 Aoka tsy hifalian’ izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.
Usiwaache maadui zangu wadanganyifu kufurahi juu yangu; usiwaache waendelee na mipango yao ya uovu.
20 Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin’ ny tany.
Kwa maana hawaongei amani, bali wanabuni maneno ya uongo kwa wale wanaoishi kwa amani katika ardhi yetu.
21 Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita’ ny masonay.
Midomo yao inapaza sauti ikinishtaki; wakisema, Aha, Aha, macho yetu yameona.”
22 Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.
Yahwe wewe umeona, usikae kimya; Bwana, usiwe mbali nami.
23 Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin’ ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin’ ny adiko.
Inuka mwenyewe na usimame kunitetea; Mungu wangu na Bwana wangu, unitetee.
24 Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian’ ireo aho.
Kwa sabababu ya haki yako, Yahwe Mungu wangu, unitetee; usiwaache wafurahi kwa ajili yangu.
25 Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.
Usiwaache waseme mioyoni mwao, “Aha, tumepata tulicho kihitaji.” Usiwaache waseme, tumemmeza.”
26 Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin’ ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
Uwaaibishe na kuwa fendhehesha wale wanaotaka kunidhuru. Wale wote wanao ni dhihaki wafunikwe kwa aibu na kudharauliwa.
27 Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan’ ny mpanompony.
Nao wote wanao tamani kudhihirishwa kwangu washangilie na wafurahi; siku zote waseme, “Usifiwe Yahwe, yeye ajifurahishaye katika mafanikio ya mtumishi wake.
28 Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.
Kisha nitatangaza matendo yako ya haki na kukusifu wewe wakati wote.

< Salamo 35 >