< Salamo 35 >

1 Nataon’ i Davida.
مزمور داوود. ای خداوند، با دشمنانم دشمنی کن و با کسانی که با من می‌جنگند، بجنگ.
2 Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.
زرۀ خود را بپوش و سپر خود را بردار و به کمک من بیا.
3 Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin’ ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho.
نیزهٔ خود را به دست گیر و راه آنانی را که مرا تعقیب می‌کنند، ببند. به من اطمینان بده که مرا نجات خواهی داد.
4 Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy.
آنانی که قصد جان مرا دارند، خجل و رسوا شوند؛ آنانی که بدخواه من هستند شکست خورده، خوار و سرافکنده شوند.
5 Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan’ ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin’ i Jehovah handroaka azy.
همچون کاه در برابر باد پراکنده شوند و فرشتهٔ خداوند آنها را براند.
6 Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin’ i Jehovah hanenjika azy.
وقتی فرشته آنها را تعقیب می‌کند، راه آنها تاریک و لغزنده شود تا نتوانند فرار کنند.
7 Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.
زیرا بی‌جهت برای من دام نهادند و چاهی عمیق کندند تا در آن گرفتار شوم.
8 Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin’ izany fandringanana izany indrindra izy.
باشد که ناگهان بلایی بر آنها نازل شود و در دامی که نهاده‌اند و چاهی که کنده‌اند، خود گرفتار شوند.
9 Fa ny fanahiko kosa hifaly amin’ i Jehovah sy ho ravoravo amin’ ny famonjeny.
و اما جان من از وجود خداوند شادی خواهد کرد و به سبب نجاتی که او می‌دهد خوشحال خواهد شد.
10 Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin’ izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin’ izay mamabo azy?
با تمام وجودم می‌گویم: «کیست مانند تو، ای خداوند؟ تو ضعیف را از دست زورگو نجات می‌دهی و مظلوم را از چنگ ظالم می‌رهانی.»
11 Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.
شاهدان بیرحم علیه من برخاسته‌اند و مرا به چیزهایی متهم می‌کنند که روحم از آنها بی‌خبر است.
12 Mamaly ratsy ahy ho solon’ ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.
نیکی مرا با بدی پاسخ می‌دهند و جان مرا می‌رنجانند.
13 Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin’ ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
و اما من، وقتی آنها بیمار بودند لباس عزا پوشیدم، جان خود را با روزه رنج دادم و برایشان دعا کردم.
14 Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin’ alahelo toy ny fisaona reny aho.
مانند یک دوست و برادر برای آنها دل سوزاندم؛ چنان اندوهگین بودم که گویی مادرم را از دست داده‌ام!
15 Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona; olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;
اما وقتی من در زحمت افتادم، آنها شاد و خندان علیه من جمع شدند. حتی کسانی که نمی‌شناختم به من حمله‌ور شدند و بی‌وقفه به من ناسزا گفتند.
16 Naman’ ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.
آری، مرا استهزا کردند و مانند آدمهای هرزه به من دشنام دادند.
17 Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao? Avereno ny fanahiko ho afaka amin’ ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin’ ny liona tanora.
خداوندا، تا به کی نظاره‌گر خواهی بود؟ جانم را از شرّ آنها رهایی ده؛ زندگی مرا از دست این شیران درنده نجات ده.
18 Hisaotra Anao eo amin’ ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan’ ny olona maro aho.
آنگاه در میان جماعت بزرگ، تو را ستایش خواهم نمود و در حضور مردم، تو را سپاس خواهم گفت.
19 Aoka tsy hifalian’ izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.
نگذار کسانی که بی‌جهت با من دشمنی می‌کنند به من بخندند و آنانی که از من متنفرند، مسخره‌ام کنند.
20 Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin’ ny tany.
سخنان آنان دوستانه نیست؛ آنها بر ضد کسانی که صلح‌جو هستند و زندگی آرامی دارند افترا می‌زنند.
21 Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita’ ny masonay.
به من می‌گویند: «ما با چشمان خود دیدیم که چه کردی!»
22 Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.
اما تو، ای خداوند، از همه چیز آگاهی؛ پس اینچنین ساکت نباش؛ ای خداوند، از من دور مباش!
23 Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin’ ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin’ ny adiko.
ای یهوه خدای من، برخیز و به دادم برس و از حق من دفاع کن!
24 Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian’ ireo aho.
ای یهوه خدای من، بر طبق عدالت خود، در مورد من داوری کن و نگذار دشمنانم به من بخندند.
25 Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.
نگذار در دل خود بگویند: «ما به آرزوی خود رسیدیم! او را شکست دادیم!»
26 Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin’ ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
آنانی که از ناکامی و بدبختی من شاد شده‌اند، خود خجل و شرمنده شوند؛ کسانی که خود را از من برتر و بزرگتر می‌دانند، سرافکنده و رسوا گردند.
27 Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan’ ny mpanompony.
اما آنانی که می‌خواهند حقم به من داده شود، شاد و خرم باشند و پیوسته بگویند: «خداوند بزرگ است و خواستار سلامتی و موفقیتِ خدمتگزار خود می‌باشد.»
28 Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.
آنگاه من عدالت تو را بیان خواهم کرد و تمام روز تو را سپاس خواهم گفت.

< Salamo 35 >