< Salamo 34 >

1 Nataon’ i Davida tamin’ izy nody adala teo anatrehan’ i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an’ i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
Nitamsifu Yahwe wakati wote, siku zote sifa zake zitakuwa mdomoni mwangu.
2 Jehovah no reharehan’ ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
Nitamsifu Yahwe! walio onewa wasikie na kufurahi.
3 Miaraha mankalaza an’ i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
Msifuni Yahwe pamoja nami, kwa pamoja tuliinue jina lake.
4 Mitady an’ i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ ny tahotro rehetra.
Nilimuomba Yahwe msaada naye akanijibu, akanipa ushindi juu ya hofu yangu yote.
5 Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
Wale wanao mtazama yeye wana furaha, na nyuso zao hazina aibu.
6 Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ ny fahoriany rehetra.
Huyu mtu aliye onewa alilia na Yahwe akamsikia na kumuokoa kwenye matatizo yake yote.
7 Ny Anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
Malaika wa Yahwe huweka kambi wakiwazunguka wale wanao muogopa yeye na kuwaokoa.
8 Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
Onjeni muone Yahwe ni mzuri. Amebarikiwa mtu yule ambaye Yahwe ni kimbilio lake.
9 Matahora an’ i Jehovah, ianareo olony masìna; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
Muogopeni Yahwe, ninyi watu watakatifu wake. Hakuna kupungukikwa kwa wale wanao mhofu yeye.
10 Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an’ i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
Simba wadogo wakati mwingine hukosa chakula na kuteseka kwa njaa, bali wale wamtafutao Yahwe hawatapungukiwa chochote kilicho kizuri.
11 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’ i Jehovah no hampianariko anareo.
Njoni, wana, mnisikilize mimi. nitawafundisha ninyi hofu ya Yahwe.
12 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
Mtu nani aliyepo ambaye anatamani maisha na anapenda kuwa na siku nyingi, ili kwamba aweze kuona vizuri?
13 Dia arovy ny lelanao amin’ ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
Hivyo uepushe ulimi wako na uovu na uilinde midomo yako kuongea uongo.
14 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
Uache uovu na utende mema. Uitafute amani na kuiendea amani.
15 Ny mason’ i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
Macho ya Yahwe yako kwenye haki na masikio yake huelekea kulia kwao.
16 Ny tavan’ i Jehovah tezitra amin’ ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin’ ny tany ny fahatsiarovana azy.
Uso wa Yahwe uko kinyume na wale watendao uovu, kuikatilia mbali kumbukumbu yao duniani.
17 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ ny fahoriany rehetra.
Wenye haki hulia na Yahwe husikia na kuwaokoa kwenye matatizo yao yote.
18 Akaikin’ izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
Yahwe yu karibu nao waliovunjika moyo, naye huwaokoa waliogandamizwa rohoni.
19 Maro ny fahorian’ ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’ izany rehetra izany.
Mateso ya wenye haki ni mengi, bali Yahwe huwaokoa nayo yote.
20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.
Yeye huitunza mifupa yake yote, hakuna hata mmoja wao utavunjika.
21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.
Uovu utawauwa waovu. Wale wachukiao haki watahukumiwa.
22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin’ ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
Yahwe huokoa maisha ya watumishi wake. Hakuna atakaye hukumiwa hata mmoja atafutaye usalama katika yeye.

< Salamo 34 >