< Salamo 34 >

1 Nataon’ i Davida tamin’ izy nody adala teo anatrehan’ i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an’ i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
“A psalm of David, when he feigned himself mad before Abimelech, who drove him away, and he departed.” I will bless the LORD at all times; His praise shall continually be in my mouth.
2 Jehovah no reharehan’ ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
In the LORD doth my soul boast; Let the afflicted hear, and rejoice!
3 Miaraha mankalaza an’ i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
O magnify the LORD with me, And let us exalt his name together!
4 Mitady an’ i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ ny tahotro rehetra.
I sought the LORD, and he heard me, And delivered me from all my fears.
5 Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
Look up to him, and ye shall have light; Your faces shall never be ashamed.
6 Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ ny fahoriany rehetra.
This afflicted man cried, and the LORD heard, And saved him from all his troubles.
7 Ny Anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
The angels of the LORD encamp around those who fear him, And deliver them.
8 Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
O taste, and see how good is the LORD! Happy the man who trusteth in him!
9 Matahora an’ i Jehovah, ianareo olony masìna; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
O fear the LORD, ye his servants! For to those who fear him there shall be no want.
10 Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an’ i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
Young lions want, and suffer hunger; But they who fear the LORD want no good thing.
11 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’ i Jehovah no hampianariko anareo.
Come, ye children, hearken to me! I will teach you the fear of the LORD.
12 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
Who is he that loveth life, And desireth many days, in which he may see good?
13 Dia arovy ny lelanao amin’ ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
Guard well thy tongue from evil, And thy lips from speaking guile!
14 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
Depart from evil, and do good; Seek peace, and pursue it!
15 Ny mason’ i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
The eyes of the LORD are upon the righteous, And his ears are open to their cry.
16 Ny tavan’ i Jehovah tezitra amin’ ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin’ ny tany ny fahatsiarovana azy.
But the face of the LORD is against evil-doers, To cut off their remembrance from the earth.
17 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ ny fahoriany rehetra.
The righteous cry, and the LORD heareth, And delivereth them from all their troubles.
18 Akaikin’ izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
The LORD is near to them that are of a broken heart, And saveth such as are of a contrite spirit.
19 Maro ny fahorian’ ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’ izany rehetra izany.
Many are the afflictions of the righteous; But the LORD delivereth him from them all.
20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.
He guardeth all his bones; Not one of them shall be broken.
21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.
Calamity destroyeth the wicked, And they who hate the righteous suffer for it.
22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin’ ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
The LORD redeemeth the life of his servants, And none that put their trust in him will suffer for it.

< Salamo 34 >