< Salamo 33 >
1 Mihobia ho an’ i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon’ ny olo-mahitsy ny fiderana.
Mwimbieni Bwana kwa furaha, enyi wenye haki; kusifu kunawapasa wanyofu wa moyo.
2 Miderà an’ i Jehovah amin’ ny lokanga; mankalazà Azy amin’ ny valiha tory folo.
Msifuni Bwana kwa kinubi, mwimbieni sifa kwa zeze la nyuzi kumi.
3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin’ ny feo fifaliana.
Mwimbieni wimbo mpya; pigeni kwa ustadi, na mpaze sauti za shangwe.
4 Fa mahitsy ny tenin’ i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
Maana neno la Bwana ni haki na kweli, ni mwaminifu kwa yote atendayo.
5 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon’ i Jehovah ny tany.
Bwana hupenda uadilifu na haki; dunia imejaa upendo wake usiokoma.
6 Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
Kwa neno la Bwana mbingu ziliumbwa, jeshi lao la angani kwa pumzi ya kinywa chake.
7 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.
Ameyakusanya maji ya bahari kama kwenye chungu; vilindi vya bahari ameviweka katika ghala.
8 Aoka hatahotra an’ i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao.
Dunia yote na imwogope Bwana, watu wote wa dunia wamche.
9 Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
Kwa maana Mungu alisema, na ikawa, aliamuru na ikasimama imara.
10 Jehovah mahafoana ny fisainan’ ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
Bwana huzuia mipango ya mataifa, hupinga makusudi ya mataifa.
11 Ny fisainan’ i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
Lakini mipango ya Bwana inasimama imara milele, makusudi ya moyo wake kwa vizazi vyote.
12 Sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
Heri taifa ambalo Bwana ni Mungu wao, watu ambao aliwachagua kuwa urithi wake.
13 Eny an-danitra no itsinjovan’ i Jehovah, mijery ny zanak’ olombelona rehetra Izy;
Kutoka mbinguni Bwana hutazama chini na kuwaona wanadamu wote;
14 Eo amin’ ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ ny tany,
kutoka maskani mwake huwaangalia wote wakaao duniani:
15 Dia Izy Mpamorona ny fon’ izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
yeye ambaye huumba mioyo yao wote, ambaye huangalia kila kitu wanachokitenda.
16 Tsy misy mpanjaka voavonjin’ ny hamaroan’ ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin’ ny haben’ ny heriny.
Hakuna mfalme aokokaye kwa ukubwa wa jeshi lake; hakuna shujaa aokokaye kwa wingi wa nguvu zake.
17 Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben’ ny heriny.
Farasi ni tumaini la bure kwa wokovu, licha ya nguvu zake nyingi, hawezi kuokoa.
18 Indro, ny mason’ i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
Lakini macho ya Bwana yako kwa wale wamchao, kwa wale tumaini lao liko katika upendo wake usio na kikomo,
19 mba hanafaka ny fanahiny amin’ ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.
ili awaokoe na mauti, na kuwahifadhi wakati wa njaa.
20 Ny fanahintsika miandry an’ i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.
Sisi tunamngojea Bwana kwa matumaini, yeye ni msaada wetu na ngao yetu.
21 Fa Izy no ifalian’ ny fontsika, satria ny anarany masìna no itokiantsika.
Mioyo yetu humshangilia, kwa maana tunalitumainia jina lake takatifu.
22 Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.
Upendo wako usio na mwisho ukae juu yetu, Ee Bwana, tunapoliweka tumaini letu kwako.