< Salamo 33 >

1 Mihobia ho an’ i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon’ ny olo-mahitsy ny fiderana.
Rejoice in the LORD, O righteous ones; it is fitting for the upright to praise Him.
2 Miderà an’ i Jehovah amin’ ny lokanga; mankalazà Azy amin’ ny valiha tory folo.
Praise the LORD with the harp; make music to Him with ten strings.
3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin’ ny feo fifaliana.
Sing to Him a new song; play skillfully with a shout of joy.
4 Fa mahitsy ny tenin’ i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
For the word of the LORD is upright, and all His work is trustworthy.
5 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon’ i Jehovah ny tany.
The LORD loves righteousness and justice; the earth is full of His loving devotion.
6 Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
By the word of the LORD the heavens were made, and all the stars by the breath of His mouth.
7 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.
He piles up the waters of the sea; He puts the depths into storehouses.
8 Aoka hatahotra an’ i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao.
Let all the earth fear the LORD; let all the people of the world revere Him.
9 Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
For He spoke, and it came to be; He commanded, and it stood firm.
10 Jehovah mahafoana ny fisainan’ ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
The LORD frustrates the plans of the nations; He thwarts the devices of the peoples.
11 Ny fisainan’ i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
The counsel of the LORD stands forever, the purposes of His heart to all generations.
12 Sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
Blessed is the nation whose God is the LORD, the people He has chosen as His inheritance!
13 Eny an-danitra no itsinjovan’ i Jehovah, mijery ny zanak’ olombelona rehetra Izy;
The LORD looks down from heaven; He sees all the sons of men.
14 Eo amin’ ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ ny tany,
From His dwelling place He gazes on all who inhabit the earth.
15 Dia Izy Mpamorona ny fon’ izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
He shapes the hearts of each; He considers all their works.
16 Tsy misy mpanjaka voavonjin’ ny hamaroan’ ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin’ ny haben’ ny heriny.
No king is saved by his vast army; no warrior is delivered by his great strength.
17 Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben’ ny heriny.
A horse is a vain hope for salvation; even its great strength cannot save.
18 Indro, ny mason’ i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
Surely the eyes of the LORD are on those who fear Him, on those whose hope is in His loving devotion
19 mba hanafaka ny fanahiny amin’ ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.
to deliver them from death and keep them alive in famine.
20 Ny fanahintsika miandry an’ i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.
Our soul waits for the LORD; He is our help and our shield.
21 Fa Izy no ifalian’ ny fontsika, satria ny anarany masìna no itokiantsika.
For our hearts rejoice in Him, since we trust in His holy name.
22 Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.
May Your loving devotion rest on us, O LORD, as we put our hope in You.

< Salamo 33 >