< Salamo 31 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin’ ny fahamarinanao aho.
達味詩歌,交與樂官。 上主,我投靠你,總不會受辱,求你憑你的公義將我救出;
2 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy.
求你側你的耳聽我,速來救我:作我避難的磐石,獲救的城堡。
3 Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.
因為因為你是我的磐石,我的城堡,為你的名,求你引導我指教我。
4 Hanafaka ahy amin’ ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
求你救我脫免暗布的網羅,因為唯有你是我的避難所。
5 Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.
我將我的靈魂託於你的掌握,上主,忠實的天主,你必拯救我。
6 Halako izay mivavaka amin’ ny sampy; fa Jehovah kosa no itokiako.
拜虛無偶像的人,你深惡痛絕。上主,然而我卻對你全心信賴。
7 Hifaly sy ho ravoravo amin’ ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian’ ny fanahiko,
我要因你的慈愛喜樂歡暢,因為你曾俯視我的慘狀,體會我心靈所受的悲傷;
8 ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan’ ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin’ ny malalaka Hianao.
你沒有將我交於敵之手,反而使我穩立於廣闊之處。
9 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban’ alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako.
上主,求你可憐我,因為我陷入困苦,我的眼、心靈和肺腑,全因憂傷而頹喪。
10 Fa lanin’ alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako.
我的生命因憂傷而耗盡,我的歲月在哭泣中消逝,我的精力因悲傷衰退,我的骸骨也已枯槁腐蝕。
11 Noho ny ataon’ ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin’ ny namako aza, sady atahoran’ ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.
我的仇敵都辱罵我,我的四鄰都恥笑我,我的知己憎恨我,路上的行人都遠避我。
12 Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
我被人全心忘掉,有如死人,活像一個破舊拋棄的瓦盆。
13 Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.
當我聽到許多人在嘯,恐怖瀰漫四境,他們在群集商議攻擊我,謀奪我的性命;
14 Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.
我仍舊依靠你,上主,我說:你是我的天主!
15 Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon’ ny tanan’ ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.
我的命運全掌握於你手,求你救我脫離我的敵手,擺脫一切迫害我的仇讎。
16 Ampamirapirato amin’ ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin’ ny famindram-ponao aho.
求以你的慈容,光照你僕,求以你的仁慈把我救出。
17 Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol h7585)
上主,因為我呼號了你,求你莫讓我蒙羞;願惡人備受恥辱,默默然歸入陰府! (Sheol h7585)
18 Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin’ ny avonavona sy ny fanamavoana.
願那些驕傲自大,口出妄言,說謊攻擊義人的唇舌啞瘖!
19 Akory re ny haben’ ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan’ ny zanak’ olombelona ho an’ izay mialoka aminao!
上主,你為敬愛你的人所保留的恩澤,是何等的豐盛!你在人前施予投奔於你者的慈惠,又是何等寬宏!
20 Hanafina azy ao amin’ ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon’ ny lela mifanditra izy.
你將他們掩護在你儀容的影下,免遭世人的重創;又將他們隱藏在你帳幕的裏面,免遭口舌的中傷。
21 Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.
願上主受讚美,因為他在堅固的城內,向我特別顯出祂那奇妙無比的慈愛,
22 Fa hoy izaho tamin’ ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon’ ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.
我雖在惶恐中說:「我已被驅逐離開你前。」但我一呼求你,你即刻俯允我的呼聲哀嘆。
23 Tiava an’ i Jehovah, ry olony masìna rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.
眾聖徒!你們應愛慕上主,因祂保祐信徒,但祂對蠻橫的人,必加以嚴厲的報復。
24 Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an’ i Jehovah.
凡一切信賴上主的人們,請勇敢鼓起你們的心神。

< Salamo 31 >