< Salamo 30 >
1 Salamo. Fihirana tamin’ ny nitokanana ny trano. Nataon’ i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian’ ny fahavaloko aho.
Nzembo ya Davidi mpo na libulisi ya Tempelo. Yawe, nanetoli Yo, pamba te obimisaki ngai na libulu ya mozindo mpe otikaki te banguna na ngai kosepela na tina na ngai.
2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
Yawe, Nzambe na ngai, nabelelaki Yo mpo na kosenga lisungi, mpe obikisaki ngai na bokono.
3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’ izay midìna any an-davaka aho. (Sheol )
Yawe, obimisaki ngai na mboka ya bakufi, obatelaki bomoi na ngai mosika na bato oyo bazali kokita na libulu. (Sheol )
4 Mankalazà an’ i Jehovah, ry olony masìna, ka miderà ny anarany masìna.
Boyemba banzembo mpo na lokumu ya Yawe, bino babulami na Ye; bokumisa Kombo na Ye ya bule.
5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Pamba te kanda makasi na Ye ewumelaka mpo na mwa tango moke, kasi ngolu na Ye ewumelaka seko na seko; kolela ekoki kowumela kino na pokwa, kasi kosepela ekokota na tongo.
6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho.
Tango nazalaki na kimia, nalobaki: « Nakotikala kokweya te. »
7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.
Yawe, tango osalelaki ngai ngolu, olendisaki ngomba na ngai; kasi tango obombelaki ngai elongi, nabungisaki elikya.
8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
Yawe, nabelelaki Yo; nabelelaki Yawe mpo na kosenga lisungi:
9 Inona no soa azo amin’ ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
« Litomba nini ezali soki nakufi, soki nakiti na libulu? Boni, putulu ekokumisa Yo? Boni, ekosakola boyengebene na Yo?
10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
Yawe, yoka ngai mpe salela ngai ngolu; Yawe, zala lisungi na ngai. »
11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,
Obongoli kolela na ngai, okomisi yango mabina; olongoli mokumba na ngai mpe olatisi ngai esengo,
12 Mba hankalazan’ ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.
mpo ete molimo na ngai ekumisa Yo na banzembo, kasi navanda nye te. Yawe, Nzambe na ngai, nakokumisa Yo libela na libela.